Ny fampianarana ambony tena lasa ambony ambany ara-bakiteny, ny angovo sy herinaratra ary rano fisotro madio efa tena loza mihatra, ny fidangan’ny vidim-piainana moa efa saika isan’andro no iresahana azy eto saingy tsy misy vahaolana. Moa mba manao jery todika sy mandinin-tena sa efa tena maty eritreritra sy minia mikipy ? Raha nety sy mahomby ny zavatra natao tsy misy adala eto, saingy mba mahagaga ihany ny fanaovana valy boraingina indraindray hoe : ny manao ihany no henjehina sy kianina. Tsy noterena na novozonina ny mpitondra haka io fahefana io, izay tena tamin’ny fomba mamohehitra saingy noleferina hatrany, niainga tany amin’ny fanonganam-panjakana 15 taona lasa. Efa betsaka izay hita sy niainana izay, saingy ny tsy azo lavina dia nihemotra hatrany isika amin’ny lafiny maro raha ny zavatra tsara no resahana, fa niha lohalaharana kosa raha ny zavatra miabo sy mamoafady. Renivohitra maloto indrindra aty Afrika ary fahatelo maneran-tany, firenena isan’ireo 10 voalohany be kolikoly indrindra, firenena faha-13 maneran-tany mbola manana vahoaka maro be tsy misitraka herinaratra, firenena isan’ireo lohalaharana amin’ny sandam-bola maivan-danja indrindra,… Tena izay ve ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso ? Sao dia efa lasa fanesoana sy fanompana ny Malagasy ny fireharehana ho mahay mitantana sy nahomby tamin’ny ady amin’ny fahantrana ? Aiza ve ka raha tsy grevin-drano sy angovo, dia grevy mikasika vatsim-pianarana, fitakiana famoahana volan’ny mpandraharaha nanao tsenambaro-panjakana, fampanenoana lakolosy maro,… Tsy finiavana hitanisa zava-dratsy, fa tena efa tena tampina ny daomy e ! Tery vay manta sy fampisotroana rano tsy tiana sisa ny fizirizirian’ny tsy nahomby sy mbola fikatsahana handrombaka faran’izay hery ny sisasantsisam-pahefana fa raha izao zava-misy sy tsy fahombiazana izao, tena na holokoina volomboasary hatramin’ny lanitra aza, toa lavitry ny kitay ny afo !
Toky R
Kristianina ny atao hoe fahaterahan’ny mpamonjy na Krismasy.