airtel

Edito

05-juil-2024

Tandrametaka !

Mifangarika eny foana ny fomba firesaka sy ny seraseran’ny mpitondra

Sample post image

manoloana ny zava-misy tena iainan’ny Firenena. Ny « manara-penitra »

05-juil-2024

no voambolana firesaka hatramin’izay nentina nambaboana sy nandresen-dahatra ny olona, saingy lasa zary fampiainana vahoaka amin’ny haingo ambony tsikoko hatrany. Ny sary rehetra mitranga dia maneho, fa mandohalika ny firenena, resy tsy fidiny ny Malagasy,… toa lasa babo an’adin’ny mpitondra tsy mahalala izay tena mahasoa azy, fa faly ny hanao ampihimamba fahefana fotsiny. Resin’ny mersenera politika ny tena foto-kevitra sy hevitra heverina fa hahasoa ny firenena, hany ka tsy fikatsahana izay tena mahasoa ambany lanitra no misy fa tsikombakomba politika hoenti-mifampizara tombotsoa ho an’olom-bitsy mamita-bahoaka. Ny fiainam-bahoaka miha mitotongana, ny harin-karena isam-batan’olona mampibaribary fa mahantra fadiranovana ny Malagasy, ny tondro rehetra mena avokoa, ny any am-bilany mihena, ny delestazy mamotika sy mandrava ny fihariana kely hany sisa tsy maty, ny orinasa samihafa mitsipozipozy satria rehefa tsy vizan’ny olan’ny angovo dia gotrin’ny fitakian-ketra mihoampampana, ny mpampiasa vola tsy tena miditra,… Asa inona tokoa no tondro hilazan’ny Fitondrana fa mihazakazaka sy mampiakatra ny hafainganam-pandeha amin’ny fandrosoana isika ? Rehefa zohiana, dia mandavan-taona propagandy foana, ka na aiza na aiza aleha toa fanandratan-tena sy fizahozahoana na koa fanilihana ny tsy fahombiazana any amin’ny hafa. Tao anatin’ny 15 taona toa tsy miova sy tsy maka lesona mihitsy, fa ny fiteny sy firesaka ary ny fiasa efa hita fa tsy nahomby no miverina hatrany ankehitriny. Tsy misy zavatra tena mandeha amin’ny laoniny eto, fa dia takonana amin’ny serasera manaka-danitra hatrany, izay toa zary lasa fanesoam-bahoaka manara-penitra aza indraindray ? Asa inona tokoa re ny zavatra tena iainkinan’ny aim-pirenena mba hita ho mivoatra eto e ? Ny fampanantenana mitosatosaka kanefa ny tetibolam-panjakana mihena an’arivony miliara vitsivitsy, ny fampianarana ny zana-bahoaka lasa tsirambina noho ny petatoko sy tsy fahaiza-mitantana sy mandamina, ny orinasam-panjakana izay tsy maty bokan-trosa, ny làlam-pirenena tapitra potika, ny tahan’ny fahantrana mitombo,… Dia aiza ho aiza amin’izany ny fahombiazan’ny programa ankampoben’ny Fanjakana ambaran’ireo depiote tsy miankina sasany fa tohanany ? Moa tsy efa ny depiote tao anaty fitondrana ihany aza no niampanga ny tsy fahombiazan’ny mpanatanteraka tamin’ny fitsipaham-pitokisana noho ny tsy fahombiazana ? Dia ny tandrametaka sy ny petatoko lava manimba firenena ve no heverina fa hitondra fiovana eto ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

miverimberina eto amin'ny firenena sy ny fanazavana entin'ireo tomponandraikitra

Card image cap