airtel

Edito

16-juil-2024

Tena mila fanasitranana!

Mivadika mihitsy amin’izao fotoana izao ny atidohan’ny mpanara-baovao sy ireo

Sample post image

mpandinika ary mpamakafaka isan-tokony mijery hoe ho aiza ihany re no hiafaran’ity firenena ity?

16-juil-2024

Mby ho aiza ihany izato izy? Efa nohazavaina teto moa ilay hoe raha resaka politika aloha dia efa tena hita fa tsy mandeha amin’izay laoniny intsony na inona na inona fanazavana entina. Na hiteny aza hoe tsy fantatrareo ny anton’ny nahatonga izay nitranga tao, tahaka ireny hoe lany 100% ireny ny filohan’ny antenimieram-pirenena, dia tsy afaka ny hanamarina mihitsy izany rehetra izany hoe mbola ao anatiny tsara amin’ny famaritana izany atao hoe politika izany izao ataon’ny mpanao politika eto amintsika izao. Iny moa ny mpanohitra, ora maromaro, mba tsy hilazana hoe andro maromaro, taty aoriana vao nilaza fa nisy hala-bato hatreny Tsimbazaza. Nisy filoham-pirenena vazaha izany teo, hoy izy ireo, niverina nilatsaka ho filoham-pirenena dia navela ho lany, mba tsy hilazana hoe mbola nekena. Nisy rafitra tao anatin’izany nambara fa mbola nandoto tokontany, dia ilay tokontanim-pifidianana efa tokony nodiovina efa ela kanefa dia mbola navela hanatontosana izany fifidianana filoham-pirenena izany ihany ary dia navela hatramin’ny farany namita ny fifidianana solombavambahoaka ihany koa. Mbola ireo rafitra ireo koa amin’izao fotoana izao no manomana ny fifidianana kaominaly ao. Miisa 22 ireo mpanohitra eo anivon’ny antenimieram-pirenena. Inona no ataon’ny fanoherana ivelan’ny antenimieram-pirenena? Ireo mitambatra ve hahavita hanery ny fitondrana mijoro tena hiroso amin’izany fanadiovana tokontany marina izany amin’izay? Izao no zava-misy! Praiminisitra efa iarahan’ny mpanao politika sy antoko politika maro nanaiky fa tsy nanao afa-tsy fetin’ny mamoha henatra na hoe «festival de scandale» mbola tavaverina fanindiminy eo amin’ny toerany indray. Amin’ny ankapobeny, ny lafiny ara-taratasy sy rafitra hatreo no voalaza fa ny fiantraikany hatreto eo amin’ny fiainam-pirenena moa dia io iaraha-mahita fa azo fintinina amin’ny hoe «tsy fandriampahalemana» na «insécurité» amin’ny lafiny rehetra io. Na eo amin’ny lafiny sosialy izany na toekarena na ara-kasa, amin’ny sehatra rehetra. Ity firenena ity ve no tonga amin’ilay hira hoe «Firenena mpanota mila fanasitranana» sa inona izany no tena mahatonga ny mpiray tanindrazana miara-mihemotra amin’ny lalana mankany amin’ny vahaolana marina eto? Tsy mila fanarenana fotsiny tokoa angamba fa tena mila fanasitranana!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

18-déc-2024

ny filoham-pirenena na ireo mpanaradia sasany izao fitondràna izao! Samy gaga

Card image cap