airtel

Edito

24-févr-2025

Tompondakan’ny fanabadoana !

Maromaro izay amboara nanaovana serasera

Sample post image

manaka-danitra izay raha ho an’ny Filoha antsika, saingy ny Firenena aloha miha milentika andro aman’alina.

24-févr-2025

Tompondakan’ny indostria fa ny herinaratra hanodinana an’izany mitsipozipozy mandavan-taona. Tompondakan’ny fanjarian-tsakafo fa mbola betsaka amin’ny Malagasy no miaina ao anaty tsy fanjarian-tsakafo lavareny, ary mety vao mainka ho zava-doza ny fisintahan’ireo rafitra sy fikambanana vahiny izay isan’ny mitondra anjara biriky betsaka indrindra. Dia izao indray tompondakan’ny haitarika aty Afrika kanefa ny Firenentsika no isan’ny farahidiny indrindra aty amin’ny kaontinanta misy antsika sy maneran-tany noho ny tsy fahaiza-mitantana. Resahana fa ny fananana vina hampandrosoana ny Firenena, fiarovana ny tombotsoan’i Afrika amin’ny sehatra iraisam-pirenena,… Vina hampandrosoana ny Firenena fa tsy misy fahantaterahana toy ny IEM, velirano, PEM,… izay dokam-barotra ara-politika nentina nanjonoana vahoaka ? Kabary ambony latabatra milaza fa miady ho an’i Afrika kanefa i Madagasikara aza tsy vita. Miady ho an’i Afrika fa ny Nosy Malagasy bodoin’ny Frantsay izay nanaovana dokam-barotra politika fa tsy maintsy hiverina alohan’ny 26 jona 2020 aza famitaham-bahoaka miharihary. Nolazaina tamin’ny vaninandron’ny coronavirus fa isika no hanavotra an’izao tontolo izao kanefa ilay orinasa Pharmalagasy nolazaina fa hamokatra fanafody aza tsy hita izay niafarany. Betsaka izay resaka natao izay, betsaka izay fireharehana izay, maromaro izay resaka amboara azo izay,… saingy hatreto aloha dia fanabadoana vahoaka no tsapa sy hita miharihary matoa izao no niafaran’ilay Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

misy fetrany ny fahefana, misy fetrany ny vola,… Tsy misy hiasa maina, ary tsy misy hiasa maina,

Card image cap
24-mars-2025

misy fetrany ny fahefana, misy fetrany ny vola,… Tsy misy hiasa maina, ary tsy misy hiasa maina,

Card image cap