airtel

Edito

14-juin-2024

Tsara vintana!

Ity angamba no azo ambara ho vaomieram-pifidianana na CENI

Sample post image

tsara vintana indrindra tamin’ireo rehetra nandalo hatramin’izay! Maro moa talohan’ny fifidianana

14-juin-2024

filoham-pirenena farany teo, kandida miisa 11 tamin’ny 13 be izao, no resy lahatra fa mila diovina aloha ny tokontanim-pifidianana vao tokony hilalaovana. Mila amboarina daholo aloha ny lalàna rehetra mikasika izany fifidianana izany sy ireo rafitra mandrafitra azy. Rehefa tsy nisy izay fanitsiana izay dia nirosoan’ireo herivelona maro ny nantsoina hoe «Hetsika fotsy», izay rehefa nitohy elaela dia nipoiran’ny Razanamaningana nanome rariny ilay fifidianana nolazaina fa maloto tokontany ka niala tao anatin’ilay 10 lahy mbola nanohitra izany. Io CENI io no nitsotsotra vokatr’izany satria dia nihevitra fa afaka nanatontosa mora foana ny asa famoaham-bokany ary nanaraka izany tamin’ny fehezanteny hoe «Ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC no tompon’ny teny farany.». Dia tsy nisy nisaina izany zava-bitan’ny CENI izany intsony tokoa nanomboka teo fa nifantoka avy hatrany indray tamin’ny hoavy dia iny fifidianana solombavambahoaka vao vita teo iny. Na ilay nanambaran’ny HCC ofisialy fa lany filoham-pirenena fanindroany indray aza ilay filoham-pirenena efa teo nolazaina fa «vazaha» dia tsy niverenana intsony hatramin’izao. Vita ny fifidianana solombavambahoaka. Namoaka valim-pifidianana indray ny CENI. Nilaza ny filohany fa izay vokatra tonga teo am-pelantanany ihany no afaka nambarany. Tsy dia nisy nitsikera azy loatra intsony ireo kandida ivelan’ny fitondrana sy ireo mpifidy, indrindra, rehefa naheno ny vokatra nambarany mikasika ny fifidianana tao Faratsiho sy boriboritany ary distrika teto Antananarivo renivohitra. Teto rahateo moa no nilazan’ny CENI ny vokatra rehetra manerana an’i Madagasikara teo an-tanany dia rehefa nahita ny mpanohitra fa lasany ny maro an’isa teto Antananarivo dia efa misy hiatrehana ny mandra-pahatonga izay hanaovan’ny HCC azy eo indray aloha. Nampitandrina kosa nefa iny ary omaly ny kandida sasany ivelan’ny an’ny fitondram-panjakana na dia tsy mpanohitra aza fa tsy hipetra-potsiny manoloana ireo be vinany mitady hanodina ny safidim-bahoaka eo. Inona moa no dikan’izany ankoatran’ny hoe miandry ny fihetsika faran’ny any Ambohidahy any? Miandry hoe haneho fahendrena ve ny HCC sa mbola hanao toy ny sasany tany alohany? Ny CENI iny aloha angamba efa mihevitra azy ireo ho afa-doza sy nahavita ny anjarany. Azo lazaina hoe tsara vintana! Ny HCC kosa… Samy miandry ny rehetra hoe hanao ahoana indray ny ho afitsony!? J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

miverimberina eto amin'ny firenena sy ny fanazavana entin'ireo tomponandraikitra

Card image cap