airtel

Edito

19-août-2024

Tsy fahombiazana hikirizana

Tsy fahombiazana hikirizana izany

Sample post image

hatreto no fomba fitantanana hita hitondrana ity firenena ity.

19-août-2024

Ny anarana angamba no hiovaova. Nandalo teo ny governemanta atidoha na «cerveau». Nandimby ny hoe governemantan’ny asa na «gouvernement d’action». Ankehitriny izany dia hoe governemanta hanao fahagagana na «miracle» mihitsy indray no hoe kononkononin’ilay ambara fa filoham-pirenena sy ny praiminisitra ao. Ny praograma ankapoben’ny fitondram-panjakana na PGE moa iny efa niaraha-nahita sy nihaino, amin’ny maha mpanara-baovao, fa tsy nisy fiovana firy iny. Ny filoham-pirenena tsy niova, ny praiminisitra tsy niova, ny rafi-pitantanana ny teo ihany no teo. Ny mpikamban’ny antenimiera roa tonta koa azo lazaina hoe tsy niova satria ny maro an’isa tamin’ny fotoam-piasana voalohany ihany no mbola maro an’isa ankehitriny. Naman’ny mizotra any amin’ny fisainana tokan-jotra na hoe «pensé unique» ankehitriny izany ny firenena rehefa jerena ny odidina rehetra misy. Nitondra fahombiazana ve nefa? Ny tondro rehetra nampahafantarina tao anatin’izay 5 taona mahery izay no mamaly fa tsy nitondra izany fahombiazana na fampandrosoana izany ny rantsa-mangaika tokan-jotra tsy nisy fifandanjan-kery, na ara-kevitra io na ara-pitantanana, fa tsy fahombiazana nikirizana ary raha izao fitrangany izao moa izany dia araka ny efa nambara teo ihany. Mbola tsy fahombiazana hikirizana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap