airtel

Edito

21-août-2024

Tsy hay intsony izay manahirana azy!

Ity fitondrana ankehitriny izao ity

Sample post image

izany dia tsy hay intsony izay manahirana azy amin’izao fotoana izao,

21-août-2024

indrindra, tao anatin’izay 42 andro tsy nananany governemanta feno izay. Nitondra inona ho an’ny antsoina hoe fampandrosoana ilay firenena malagasy izany ireny fivoahana ivelan’i Madagasikara nandritry ny fotoana maharitra, indrindra, tao Afrika ireny? Hatraiza amin’ny manahirana ilay fitondrana no itoeran’ilay vahoaka malagasy tsy nety tafavoaka anaty fahantrana tato anaty 15 taona mahery izao, fotoana nanombohan’izany atao hoe fitondrana Rajoelina izany? Hatraiza amin’ny filàn’ilay vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao no efa mba voadinik’ilay fitondram-panjakana sy efa mba hanomanany ny tena vahaolana tandrify izany amin’izay fa tsy vahaolana mandalo toy izay nahazatra azy hatramin’izay? 42 andro izany izay no lasa, naha voatendry fanin-diminy indray izany praiminisitra antsoina hoe Ntsay Christian izany. Kely sisa dia hitovy amin’ny fotoana naha teo ny praiminisitra faha mpanjaka Rainilaiarivony, hoy ny vazivazy zaritenan’ireo mpanara-baovao amin’izao fotoana izao. Raha raisina amin’ny tontolon’ny asa mahazatra izany dia ity praiminisitra ity no tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe be traikefa na «expérimenté» indrindra tao anatin’ireo efa nandalo tanatin’izany antsoina hoe repoblika malagasy izany kanefa ankehitriny dia ny asa tokony ho tsotra indrindra amin’ny asana praiminisitra no efa manahirana azy sahady miaraka amin’ny filoham-pirenena, izay mahagaga fa, mbola tsy mahafoy azy ihany na dia eo aza izany zava-misy izany. Governemanta volamena sy hanao fahagagana na «miracle» tokoa angamba ilay ketrehina ka tsy tokony hifaka ny mpitazana!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap