Manahirana raha sanatria ny fahefana sy seza na sanatria ny vola amam-basy no hoverina ho hery hampanekena ny hafa hoe: ny anay ihany no marina, ka tsy afaka ny hihaino sy handinin-tena ary hanitsy ny zavatra tsy mety. Tsy adala ny olona, fa miaina amin’ny zava-misy, miara-milomana anaty fahantrana miaraka amin’ny valalabemandry,… Ny tiana hatao eto dia fanerena ny olona mivantana na ankolaka hiaiky sy hanaiky fa izao no mety, tonga amin’ilay hira hoe: “io aloha no misy, io aloha no eo”. Ny sary tiana hovoizina sy horesahan’ny olona dia ny hoe: miadam-pinaritra ny vahoaka fa tsisy kere sy vidim-piainana midangana, miasa tsara ny Fanjakana, miondam-bola aman-karena ny Malagasy, tsy nanjavona ny volamena tao anaty biraom-panjakana, tsy nisy fanodinkodinam-bola, tsisy kolikoly,… Ny mifanohitra amin’izany mety hosokajiana ho lainga sy fanakorontanana ary fampisavorovoroana saim-bahoaka. Miteny ho azy anefa ny tatitra sy ny antontan-kevitra samihafa na avy eto an-toerana na iraisam-pirenena momba ny tsy fahaiza-mitantana, kolikoly, afera maizina,… Eny fa ny vahiny aza misy mangoron’entana satria leo. Tsy ny fiezahana hiala amin’ny tsy mety sy hanitsy ny dia mba ho soa ho an’ny ambany lanitra no himasoana fa ny fanarontsaronana sy ny fiezahana hanadio tena lava izao. Mandeha ny resaka fivarotan-janaka ankolaka noho ny fahantrana lalina, dia ny fiezahana handiso izany sy hanenjika olona iray na maromaro no hifantohana fa tsy ny fijerena hoe: inona no fototry ny olana? Moa mba voajery sy voatsinjo tokoa ve ireo vahoaka tsy ampy sakafo? Mandeha toriteny izay arofaninana ho an’ny ho avy dia misy mahatsiaro ho voatsindrona ka manangam-bovona. Mandeha hatrany fanaratsiana sy fanalam-baraka ary ompa variraraka any amin’ny tambajotran-tserasera. Tokony hahatezitra ve ny filazana fa raha ny andevon-karena sy andevom-pahefana, ary andevon’ny fitiavan-tena no lasa mpitondra firenena dia tsy ho tafavoaka, ka mila olona tia fahamarinana sy tia ny rariny? Asa hotondroina ho fahavalom-pirenena sy manakorontana saim-bahoaka ve ohatra ny Banky Iraisam-pirenena nilaza fa ahiana hiakatra 99% ny tahan’ny mahantra eto raha tsy miezaka? Mpaminany sandoka avy any Brezila sy artista hanasohaso sy maminany hafahafa ihany angamba no sitrany!!!? Tsy efa mazava ve izao fa ny nataony ihany no hataony fa tsy mba hanitsy ny dia raha mbola homena 5 taona manaraka ka asakasak’izay mbola ho resiny lahatra e?
Toky R
ny filoham-pirenena na ireo mpanaradia sasany izao fitondràna izao! Samy gaga