airtel

Edito

24-oct-2023

Tsy mahazo kivy!

Samy miandry izay ho fihodin’ny politika ny rehetra.

Sample post image

Ao no manaiky fa tsy misy tolona vita vetivety izany fa mila faharetana,

24-oct-2023

ao ny maneho fa mila hafainganina ny dia hahazoana ny fandresena imatimatesan’ny rehetra satria efa tena ampy izay Fanjakana tsy maty manota, ny Fanjakana tsy tan-dalàna, ny setrasetra politika sy ny fanjakazakana noho ny herin’ny vola izay. Tsy vitan’ny mitehin-kiho izany, tsy vitan’ny manao tazan-davitra, fa tena mila fifanomezan-tànana sy fiaraha-manaiky fa isika rehetra izao no mila mandray an-tànana ny ho avin’ny firenena. Ny tsy azo hadinoina mantsy, tsy vao tato anatin’ny 5 taona farany no nametrahana ny vato fototry fanjakazakana sy ny tsy maty manota, ny fitiavan-tena sy ny maro hafa izay tena anton’izao fihemoran’ny firenena izao, fa efa niainga tany amin’ny 15 taona lasa. Mba nisy ihany ny niezaka nanarina sy namerina ny fitokisana talohan’izao saingy niaraha-nahita ihany koa ny mety lesoka. Sarotra ny handrava izany ao anatin’ny 20 andro, saingy mahavelom-bolo ny fiaraha-mientana ankehitriny. Tsy mahazo kivy satria ny fahakiviana mialohan’ny ady dia faharesena mialohan’ny fotoana. Eo ny mety tsy fitovian-kevitra ara-politika, fa sambany kosa teo amin’ny tantara ny fisiana fiaraha-mientana sy fanambaran-kery fa tena mila miainga amin’ny fifidianana madio sy milamina, fanajana ny tany tan-dalàna, fanomezan-kasina sy fitandroana ny fiandrianam-pirenena,… izay vao afaka ny hanaiky sy hizotra any amin’ny fampandrosoana I Madagasikara. Tsy misy ny mandrakizay, misy fetrany ny zava-drehetra, misy fetrany ny herin’ny vola, misy fetrany ny herin’ny miaramila sy ny basy,… ka asakasak’izay hinia hiziriziry amin’ny hevitra bontolony eo. Tsy ilàna fahaizana mandinika politika na jeopolitika lalina be izao fa tena miharihary ny sary ankehitriny hoe: ho sarotra ny làlana ho an’ny mihevi-tena tsy ho tratry ny aloka mandrakizay, fa tena kodiaran-tsarety ihany koa io politika io. Tsy mitovy intsony ny 15 taona lasa sy ny amin’izao, sarotsarotra ny mbola hilalao ny fihetseham-pon’ny vahoaka, efa hainy tsianjery ny toetra amam-pihetsika politikan’ny mpisora-tena ho mpandresy. Efa manomboka miova ny tantara fa ny hirariana dia ny tsy handairan’ny fiheverana mbola handatsa-drà sy hanao sorona firenena izay fa efa ampy izay ny herisetra, ny fampijaliana ny Malagasy tamin’ny tsy fahaiza-mitantana, fitomboan’ny tahan’ny mahatra, fanjakazakan’ny kolikoly, fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenen’ny Malagasy,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap