airtel

Edito

08-déc-2023

Edito

Tsy maintsy mandroso ho aiza?

Sample post image

Madagasikara tsy maintsy mandroso! Tarigetran’ilay filoham-pirenena nolaniana fanindroany teo,

08-déc-2023

hono, izany. Filoham-pirenena izay efa nitondra teto nandritry ny 5 taona farany ary mbola namela hitantana ny firenena ny governemantany hatramin’izao isika miresaka izao. Nandroso ve i Madagasikara tao anatin’izay 5 taona izay? Antananarivo tsy maintsy mandroso koa, hoy ny ben’ny tanànan’ilay renivohitr’i Madagasikara izay notohanany tamin’ny fampielezankevitra. Tsy isalasalana nefa fa iaraha-mahalala fa tsy nandroso i Antananarivo fa nihemotra ary isan’ireo sangany amin’ny renivohitra maloto indrindra eto ambonin’ny tany. Ary i Madagasikara izay lazaina hatramin’izao fa tsy maintsy mandroso io? Tsy maintsy mandroso ho aiza? Tsy maintsy mandroso ho any amin’ny jadona ve, araka ireny tranga niseho tato ho ato ireny? Hatramina mpanao gazety ankehitriny no llazaina fa nandrisika miaramila hikomy. Efa maro moa ny tsikera sy sosokevitra naroso teto amin’ity firenena ity ho an’ireo mpitondra nifandimby saingy tsy nisy nihaino ve sa tsy nisy nahay nanatanteraka? Atao hoe hita ho sarotra tamin’ny manam-pahefana tato anatin’ny 15 taona farany angamba ny mihaino ny manam-pahalalana, mba tsy hilazana hoe manam-pahaizana manodidina azy. Aleony mihaino ireo mpisolelaka. Ireo mpisolelaka mihitsy aza no toa mahagaga fa tena sahy manangatra, hoy ny fomba fiteny izay, rehefa misy sahy manitsy ny tsy mety ataon’ny manam-pahefana! Izay tokoa angamba ilay hoe firenena hafakely ilay Madagasikara… “tsy maintsy mandroso!”.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap