airtel

Edito

16-oct-2024

Tsy maintsy!

Ny anaty fitondrana sy ireo mpiaradia aminy moa izany mihirahira hoe

Sample post image

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

16-oct-2024

Mody apetraka eto ny fanontaniana na dia efa hain’ny maro an’isa aza ny valiny hoe «tsy maintsy mandroso mankaiza?». Tsy maintsy mandroso mihemotra any aoriana ve izany izy ity satria raha ny tarehimarika sy fampilaharana iraisampirenena toy ny eo anivon’ny banky iraisampirenena sy ny tahirim-bola iraisampirenena na FMI aloha izany izao dia gidany ilay firenena malagasy. Farany mahantra! Mbola afaka hilatsaka ambany noho izao ve, hoy ny jeneraly Ramakavelo izay? Raha ny fivoriana tetsy sy teroa nitranga omaly indray, ho an’ireo ivelan’ny fitondrana kosa aloha, dia saika samy niaiky fa «Tsy maintsy avotana» ilay Madagasikara. «Madagasikara tsy maintsy avotana!» izany eto no resaka. Heverina fa samy fikasàna tsara ho an’ilay firenena daholo izany rehetra izany saingy ny maha samihafa azy dia ilay voalohany mbola nofinofy foana hatramin’izao na dia efa eo am-pelan-tanany daholo aza ny fahefana rehetra. Raha oharina amin’ny fahandroana lasopy ilay izy dia hoe efa eo daholo ny akora na «engredient» rehetra toy ny persily, ny karoty, ny dipoavatra hatramin’ny antsy sy sotrobe ary vilany efa misy rano ampangotrahana mitaingina eo ambonin’ny afo. Mandrotsaka ireo akora izany sisa no tokony ataon’ilay fitondrana. Efa io Tsimiroro sy Bemolanga, ny safira sy volamena, izay rehetra azo ahodina ahafahana mitondra ilay firenena any amin’izany tena fampandrosoana izany kanefa ny ataon’ilay fanjakana dia midongy be tsy mety mandrotsaka an’ilay lasopy fotsiny izao. Ilay hoe «Tsy maintsy avotana!» dia hita ho miantso fandraisan’andraikitry ny olompirenena tsirairay mihitsy hifanome tanana ho any amin’izay fanavotam-pirenena izay saingy hatreto moa izany iny mbola mijanona ho teoria fotsiny koa. Tsy fahampiana enti-manana ve no antony sa fidongian-toeran’ireo zokiolona? Na izany na tsy izany dia efa fanombohana daholo izany rehetra izany ka enga anie mba hisy tohiny azon’ny vahoaka malagasy tsapain-tanana mankany amin’ny tena fampandrosoany amin’izay! J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap