airtel

Edito

19-juin-2023

Edito

Tsy maty manota

Sample post image

Fampandrosoana inona tokoa moa no antenaina ho an’ny firenena iray raha sanatria ka ny mpitondra farantampony ao amin’ilay firenena no olanay voalohany?

19-juin-2023

Anatin’ny fanamarihana ny faha-63 taonan’ny fahaleovantena isika amin’izao fotoana izao, saingy lavitra tanteraka ny firaisam-pirenena. Ny olona tokony ho fitaratra voalohany amin’ny fampiraisana ny Malagasy no lasa resabe sy miteraka fisaraham-bazana, ary toa voapanga ho mpamadika tanindrazana amin’izao fotoana izao. Tsy tongatonga ho azy ireny, ary tokony handinin-tena fa tsy hieritreritra lalandava ho tsy mety diso sy afaka manao izay tian-katao ? Rehefa zohiana mantsy, toa mieritreritra ny mpanao politika iray na vondrona politika iray, fa azy ireo i Madagasikara ka izay tiany hanaovana azy dia mety avokoa. Toa efa mitady ho lasa kolontsaina ilay tsy maty manota, ka na inona na inona ataony amin’ity Madagasikara ity, toa tsy maintsy leferina mandrakariva. Ny fahapotehana ara-toekarena, sosialy, soatoavina,… miitatra hatrany, tsy mbola nisy tahaka izao tao anatin’ny 63 taona. Mandeha fanonganam-panjakana arahina fahapotehana tsy hita noanoa, fandrobana sy fanondranana harem-pirenena,… saingy vitavita ho azy. Mandeha fifidianana izay nahiana ny halatra bevava noleferina, mbola miampy ahiahy fa misy famadihan-tanindrazana goavana noho ny fakana zom-pirenena vahiny ho tambin’ny fiarovana ny tombotsoany, saingy mihevitra fa mety hatrany izany. Sao dia efa te hisora-tena ho mpanjakan’i Madagasikara mihitsy ka afaka manao izay tian-katao e ? Misy ny Rain’ny fahaleovantena dia misy ihany koa izany ny rain’ny famotehana sy ny tsy maty manota ? Andeha alaina sary an-tsaina hoe : mpitondra hafa no teo fa tsy ireto, andeha horaisina ho ohatra hoe : ilay Filoha naongana tany aloha na ny mitovitovy aminy no tratra amin’io ahiahy ho namadika tanindrazana tamin’ny fakana zom-pirenena vahiny tahaka an’io. Angamba efa raikitra ny fanonganana, fandrodanana, fandoroana,… saingy amin’izao izay mihetsika, dia darohana amin’ny entona manepotra, samborina sy gadraina. Na inona na inona anefa hatao eo, na ho ela na ho haingana, tsy maintsy farany ny zava-drehetra, tsy hisy fiadanana maharitra ao anatin’ny tsy fahamarinana sy alahelon’ny hafa izany. Tsy misy hiala maina, ary tsy hisy hiasa maina, hoy ilay Raiamandreny am-panahy iray izay.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap