airtel

Edito

11-juil-2024

Tsy misy afa-tsy trosa!

Isaky ny tapaka izany izao ny herinaratra any amin’ny tokantrano

Sample post image

tsirairay any eto Antananarivo renivohitra, hoy ny vazivazy zaritenan’ny raim-pianakaviana iray,

11-juil-2024

dia samy miteny irery any an-tsainy any daholo ny ankamaroany hoe «Mandeha izany izay ny teleferika!». Niadian-kevitra be ny mikasika an’io atao hoe fitaterana an-tariby na teleferika io ary niezaka nanaporofo mihitsy ireo mpiaradia ny fitondrana sy antsoina ankehitriny hoe tandapa fa tsy trosa velively izy io. Nifampiako teo ny fifanazavana samihafa fa ny hita miharihary anefa aloha izao na dia efa eo aza ilay izy dia mbola tsy mivaha ny olan’ny tohamboivoy eto Antananarivo. Mandeha araka ny niheverana azy ve ny fitaterana anatin’izany atao hoe teleferika izany? Tena vondrona mpamatsy herinaratra ivelan’ny orinasa JIRAMA na Jiro sy rano malagasy tokoa ve no mamatsy izany? Tena tsy mitombina tokoa ary ve ny fanontaniana hoe fa maninona ny ao Antananarivo no misitraka teleferika nefa izahay aty Ikongo no manefa ny trosa nanaovana azy? Santionan’ireo fanontaniana nipetraka mbola tsy nahazoana valiny mahafa-po hatramin’izao ireo ary iny moa omaly nampahafantatra tamin’ny ankapobeny ny zava-misy ankehitriny eo anivon’izany JIRAMA izay ny tale Jeneraly nafarana avy an-dafy tany. Nampivadika atidoha ny naheno ireo tarehimarika isan-karazany izay hoe trosan’ity orinasa ity amin’ireo mpamatsy solika sy angovo azy. Mitotaly 150 miliara Ariary be izao. Tany amin’ny taona 2013 tany koa anefa no efa heno ny an’arivony miliara toy izany koa no trosa nananan’ny oniversiten’Antananarivo fotsiny amin’ny fanjakana. Asa izany hoe ohatrinona indray izany amin’izao fotoana izao? Orinasa, rafitra na tranom-panjakana miisa firy izany no manana trosa amin’ny fanjakana na fitondram-panjakana malagasy dia rafitra manao ahoana na orinasa manao ahoana sy firy no any ivelany? Hatramin’ny resaka heverina hoe bitika amina resaka raharaham-panjakana toy ny mikasika ny trano maro rihana lazaina fa manara-penitra eny Ivato aza moa mampisangojy nefa hoe resaka 78 tapitrisa Ariary. Tsy misy afa-tsy trosa no heno mahakasika ny fitantanana ilay firenena. Aza manantena ny ho tafita raha misafidy ny ho mpanjifa, hoy ny filohana vovonana politika iray izay saingy eto nefa izany izao nisafidy ny hitrosa mihitsy fa tsy vitan’ny hoe hanjifa fotsiny dia asa hoe inona izany no antenaina amin’izany?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

18-déc-2024

ny filoham-pirenena na ireo mpanaradia sasany izao fitondràna izao! Samy gaga

Card image cap