airtel

Edito

06-sept-2024

Tsy misy fahagagana !

Haverina hatrany, fa tsy misy mpitondra na mpanao politika dia tena hoe :

Sample post image

hamotika sy handrava firenena no tanjony na dia ekena aza fa betsaka ny haratsiam-panahy.

06-sept-2024

Samy milaza hanasoa sy hampandroso, ary samy mampanantena fandrosoana ho an’ny Firenena indrindra fa amin’ny fotoanan’ny propagandy. Ampangain’ny karatra foana anefa rehefa tonga eo amin’ny seza sy ny fahefana hoe : tena vina sy programa maty paika hanarenana sy hampandrosoana firenena tokoa ve no natolotra sy nakana fom-bahoaka sa kabary manidintsidina nentina nakana fom-bahoaka sy vaton’ny mpifidy fotsiny ? Tsy misy fahagagana ny fitantanana firenena, fa tena mila fahavononana, mila fahaiza-manao, mila olona tena mahavita azy, mila vola, mila mpiara-miombon’antoka, mila faharesen-dahatra sy fanohanan’ny vahoaka,… Tsy vitan’ny fitanisana velirano sy programa na fampanantenana mandavan-taona na firesahana zavatra manaitaitra vahoaka isaky ny miodina kanefa ny fanatanterahana tsy mazava sy poakaty. Ho tahaka izao ve ohatra isika raha tanteraka ny angovo 400MW tao anatin’ny 5 taona, tanimbary 1ha isaky ny tanora, hampindram-bola an’i Kaomoro,… eny fa nisy hatramin’ny filazana fa hanavotra an’izao tontolo izao. Betsaka ny kabary ambony latabatra, mitosaka ny fampanantenana, ary izao aza mandeha ny fampalazana tena hitetezana kaontinanta fa tsy hita izay vokatra. Tsy misy fahagagana io fa tena mila fahaiza-manao !
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-sept-2024

raharaham-pirenena ny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna ho avy io.

Card image cap
12-sept-2024

Herinandro izay no lasa tamin’ny fe-potoana ahafahan’ireo kandida ho ben’ny tanàna sy mpanolontsaina monisipaly

Card image cap