airtel

Edito

30-mai-2024

Tsy resy fa mbola matory?

Mahavalalanina ny fiainam-pirenena ankehitriny!

Sample post image

Vita iny fifidianana, saingy vita tao anatin’ny lonilony, ahiahy,

30-mai-2024

tsy fahatokisana, tsy fitovian’ny herijikan’ny kandida, tsy maty manota,… Dia samy miandry ny vokatra vonjimaika izay hitahita soritra ihany aloha ny mety ho fironana. Tena hitondra makany amin’ny fivoaran’ny firenena, hampiterakatra ny fisaraham-pahefana, ahafahana miady ny tena tombotsoan’ny firenena ve sa hanamafy orina ny tsy maty manota sy ny tsikombakomba politika hanaronana ny tsy fahombiazan’ny mpanantateraka ? Ny sary mitranga ankehitriny aloha dia tena miha potika ny poilitika ary manaraka izany ny firenena. Hampanjakaina ny herin’ny vola, ny herisetra, ny herin’ny basy aman-tafondro, ny fifehezana ny rafi-pitsarana, ny fampanginana ny marina sy ny rariny ary ny hintsiny. Vitavita ho azy ny fandikan-dalàna miseho amin’ny endriny maro, kiviana ny Malagasy tsy handray ny andraikitra tandrify azy, alentika tanteraka ao anaty fahantrana mba halemy sy lalaovina ara-politika,… Tena resy ve isika sa mbola renoka ao anaty torimaso ? Moa tsy ny fahoriana mianjady ankehitriny ve no vao mainka tokony hampifoha ny mason-tsaina sy masom-panahin’ny isam-batan’olona hikatsaka ny soa kokoa ! Tsy misy resy tsy miady, fa ilay zavatra iray mety hampifoha sy iarahan’ny rehetra mirona hikatsaka ny soa iombonana no mety mbola karohina. Na ho ela na ho haingana tsy maintsy hijoro ny rehetra. Aleo ihany koa tsiahivina ny tantara sao misy minia manadino fa efa betsaka ireo mpitondra lany tamin’ny isam-bato ambony sy nanana parlemantera maro, saingy tsy nahatazona azy tamin’ny fitondrana, ka asa izay hiseho rahampitso…
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

miverimberina eto amin'ny firenena sy ny fanazavana entin'ireo tomponandraikitra

Card image cap