airtel

Edito

28-juin-2024

Vahoaka sa kapoaka ?

Vita iny fifidianana solombavambahoaka dia hanao ahoana ny tohiny ?

Sample post image

Milamindamina sy mandry ny sain’ireo voafidy sy nambaran’ny HCC ho lany ofisialy,

28-juin-2024

raha toa ka mbola mety lasam-borona ireo izay tsy nahomby. Fifaninanana toy ny fifaninanana rehetra, ka tsy maintsy misy ny resy sy ny mpandresy, saingy tena nandeha tao anatin’ny lalao madio ve ? Raha bangoina amin’ny lafiny iray mantsy, dia toa misy endrika sy sary ihany fa hadalan’izay tsy nangala-bato, tsy nanao hosoka, tsy nampiasa fitaovana sy fahefaham-panjakana,… raha tarafina amin’ireo fitsipahana ny fitoriana mikasika fandikan-dalàna samihafa. Izany ve no hatao fomba fiady politika sy volena ho isaky ny fifidianana ? Efa vita moa izany iny ary didy tsy azo ivalozana dia izay, saingy mbola afaka mitsakotsako sy mamakafaka isika hoe : solombavambahoaka lany tamim-pahamarinana avokoa ve sa misy lany tamin’ny hosoka sy fandikan-dalàna ? Izany eo ihany, fa vita izany ny adin’ireo 163 miandahy ho amin’ny sezany, ho an’ny kapoakany ao anatin’ny 5 taona manaraka,… fa mba ahoana kosa ny valala tsy mandady harona ? Izy ireo izay efa mivesatra ny kapoaka mangidiny noho ny fahantrana sy fahasahiranana lalina vokatry ny tsy fahaizan’ny mpitondra. Raha tena nanao ny asany sy niady ho an’ny vahoaka ve ny fahefana mpanao lalàna sady mpanara-maso ny asan’ny mpanatanteraka ho toy izao i Madagasikara. Niditra an-tsehatra hatramin’ny filoha farantampon’ny firenena nanao propagandy mivantana na ankolaka fa olona mahay miara miasa aminy no tokony hofidiana hisolo vava ny vahoaka. Fa angaha moa tsy efa toy izany ny teo dia nanao ahoana ny tondro maro momba ny : tahan’ny fahantrana, toakerana, sosialy, fanjarian-tsakafo, kolikoly,… Dia tena niady sy niasa ho an’ny tombotsoam-bahoaka sa mbola ny fiarovana ny kapoaka politika hatrany no mibahan-toerana sao ho very fihinanana ka tena manao ny tsy fanao?
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

miverimberina eto amin'ny firenena sy ny fanazavana entin'ireo tomponandraikitra

Card image cap