airtel

Edito

05-août-2024

Vondrona Firaisamben’ny Malagasy

«Tsy maintsy hatsahatra ny endri-panjanahana ataon’olom-bitsy »

Sample post image

Namondron-kery ho Firaisamben’ny Malagasy hoenti-manavotra ny Firenena ireo Raiamandreny

05-août-2024

ara-drazana sy ny Fikambanana sy antoko sasany avy amin’ny fanoherana. Nifampidinika momba ny raharaham-pirenena tetsy Isoraka ny sabotsy teo, nanasana ireo Raiamandreny ara-panahy, raiamandreny ara-politika, ny tanora, hiara-hisalahy ho amin’ny fanavotana ny Firenena. Potiky ny fitiavan-tena ny Firenena Malagasy, hoy Atoa Vaovao Bénjamin nisolo tena ny avy amin’ny tapany avaratry ny Nosy na ny Triangle du Nord. Feno ny harena ny Faritra rehetra manerana ny Nosy, saingy tompony mangataka atiny ny Malagasy, ka nilazany fa zava-dehibe ny fampiombonana ny Malagasy ao anatin’ny antsoina hoe Firaisamben’ny Malagasy hifampidinihana ny fomba hanatsaharana ny endri-panjanahana vaovao ataon’olom-bitsy. Hatramin’ny depioten’ny Boriborintany faha-5 Naivo Raholdina no mahatsapa fa potika ny firenena matoa izy ireo nomen’ny vahoaka lamosina tamin’ny fifidianana, hoy hatrany Atoa Vaovao Benjamin loholona teo aloha. Vola tsy toko tsy forohona isan-taona ny very, ary ny mpamatsy vola avy any ivelany aza nitaky famererenam-bola tao amin’ny Jirama ny taona 2022 noho ny fitantanana tsy manjary. Vao departemanta iray no nolazainy, fa ny zava-misy dia tena potika ny fiharian’ny zanaka Malagasy, hoy izy, ka anisany nomarihiny ny antontan’isa momba ny horonan-tsary mamoafady 90 000 isan-taona izay maneho fa potika ny tanora, tsy an’asa,... Nanamafy ny Filohan’ny ARFM na ny Antenimieran’ny Foko sy ny Raiamandreny Atoa Noel Rakotondrasoa, fa nofitahina sy nampatoriana mitsangana isika hatramin’izay, tsy nampahafantarina ny tena zava-misy sy ny tena marina iainan’ny Firenena. Mbola mitady ny very isika 128 taona aty aorian’ny fanjanahantany mivantana satria very izany ny 6 aogositra 1896. Mila averina ny sivilizasionina tena Malagasy amin’ny lafiny toekarena mba hiadanan’ny Malagasy. Rehefa nanontaniana moa i Pasitera Edouard Tsarahame hoe: tena manana ny fankasitrahana sy fanohanan’ny vahoaka na « adhésion populaire » ve ny hetsika ataon-dry zareo, dia nitsotra fa ny safidin’ny olona no ilain’izy ireo, antso no ataony, tsy hanery na hihambo fa matoa miantso dia mahatsiaro ho tompon’andraikitra fa tsy mihambo ho mahavita na tompon’ny vahoaka Malagasy. Mampahafantatra ny vahoaka Malagasy ny zavatra misy sy mitranga ary iainan’ny Firenena. Anjaran’ny vahoaka no manapaka hoe : raha izany aza ny zava-misy dia inona atao ? Eken’ny vahoaka ve izany ? Eken’ny manam-pahaizana ve ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

raha ny resaka politika eto amin’ny firenena no resahana !

Card image cap
16-oct-2024

Tsy maintsy mandroso!» na koa hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».

Card image cap