airtel

Edito

02-janv-2025

Vonona hiova ve ?

Ny fitiavana no hery manetsika, ny

Sample post image

fahamarinana no ataony filamatra, hoy ny sombim-pehezanteny

02-janv-2025

notsongaina avy ao amin'ny hafatra taom-baovao 2025 nataon''ny filohan'ny Fjkm ny Dr Irako Amdriamahazosoa Ammi, mpitandrina. Hafatra , toa antso mihitsy, miantefa amin'ny rehetra mba hampisaintsainana sy handinihan-tena. Tsy misy afaka miteny fa marina 100% na manana ny fahamarinana rehetra izany, fahendrena ny mitsotra ny marina, miaiky heloka, manaiky ny fahadisoan'ny tena ary manitsy ny dia sy ny fomba fanao. Ny poizina ho an'ny fiarahamonina dia io resaka lainga sy fihatsarambelatsihy io.Lasa diso ny tombatombana rehetra, raha mankany amin'ny dokotera izany dia diso fitsirihina, diso fanafody, diso fitsaboana satria tsy niteny ny marina rehetra ka inona no fahasitranana azo antenaina eo. Betsaka izay resaka natao teto izay, toa isan'andro ny fifamaliana, tsy tambo isaina ny fanenjehana na fanasoketana. Tsy efa fotoana ve izao iovana, anitsiana ny tsy mety rehetra, miova mankany amin'ny tsara kokoa, mampivoatra, mampandroso .Moa va tsy filaminana no tadiavina eto ? Dia miezaka mandamina, miezaka mifandamina. Ny mpitantana sy mpitondra no tokony hampiseho ohatra mendrika voalohany , mba ho fitaratra arahin'ny rehetra. Mazava anie ilay fomba firesaka e : tany misy olon-kendry, tsy misy zaza miady. Koa mipetraka ny fanontaniana : vonona hiovaba hahomby kokoa ve sa hanao ny fanao mahazatra ihany izay efa hita fa tsy nampandroso ?
RTT
 

Dans la même rubrique