Azo lazaina ho amin’ny endriny malefaka nefa izany, hoy izy, fa tsy toy ny tamin’ny fotoan’andro hoe mahafaty fa hita kosa hoe mandreraka ilay marary. Raha raisintsika hoe gripa mahery izy izany dia ahitana soritra hoe io ilay olona fa reraka. Marary an-doha be, mihizina ny tratra, ohatran’ny misy manindry mihitsy any amin’ny tratra. Tsy mety mijanona ny kohaka. Tsy afaka mihitsy ilay aretina raha tsy ampiharana ny fomba fitsaboana tamin’ny COVID. Maherihery kokoa izany ny fisehon’ilay gripa amin’izao tahaka ny hoe miantraika any amin’ny vanin-taolana, misy koa aza ny an’ny sasany hoe tsy mahare fofona, tsy mahare tsiro, marary ny any amin’ny kibo, lasa mivalana sy ny toy izany. Toy ny hita amin’ny COVID ihany. Tsy maintsy tsaboina amin’ny fomba fitsabo COVID izany vao afaka. Isan’ny hitsaboana azy ny Azythromicine, ny fampahatanjahana ny vatana toy ny vitamine C sy ny namany, ny antibiotika izay tsy maintsy anaovana ilay antsoina hoe «corthycoide» na «corthycothérapie». Tsy maintsy mihinana zavatra mampikoriana rà tsara. Isan’izany ireo karazana «aspirine» kely sy ny tahaka izany. Tokony natao raha ny tena marina ny fikarohana PCR na «recherche antigénique» mba ilazàna hoe izao ity COVID ity, izao ilay «variant» na karazany satria be dia be ny «variant» an’ny COVID. Mino aho fa misy «variant» mbola tsy fantatra. Misy mifangarongaro aza io, misy mitambatra. Ny «variant»-ana COVID amin’izao aloha toa tsy tonga amin’ny toy ny taloha hoe sempotra mila fanampin-drivotra na «oxygène». Toy ny varotra rehetra ihany koa moa amin’izao ny vidim-panafody. Misy ilay hoe lalànan’ny tolotra sy tinady dia rehefa hitan-drizareo hoe be dia be ny tinady nefa vitsy ny tolotra dia miakatra ho azy ny vidiny. Tsy tokony hisy nefa izany raha resaka fanafody satria eny amin’ny farmasia efa misy kaody tsara hoe izao no vidiny hatrany am-potony, izao no tombony azo alaina nefa noho ny firongatry ny fitadiavan’ny olona dia lasa miaka-bidy ho azy ilay izy. Te hahazo tombony angamba ilay olona, hoy hatrany ity mpitantana ny klinika Saint Thomas ity. Isan’ny mampitaraina ny marary moa amin’izao fotoana izao ny vidin’ny fanafody Magné B6. Tafakatra hatrany amin’ny 46.000 Ariary izany, raha ny vidiny hita teny amin’ny farmasia, hoy ny mpanjifa iray ny alarobia 17 jolay teo.
J. Mirija