airtel

Fahasalamana

21-août-2024

Dr Marius Ramaroson

«Mila mitandrina be amin’io resaka «virus» io»

Sample post image

Amin’ny maha nendra ny antsoina hoe nendran-gidro na «variole de singe» dia mipoitra aty amin’ny hoditra izany,

21-août-2024

hoy ny Dokotera mpitsabo mitantana ny Klinika Saint Thomas Faravohitra, Dr Marius Ramaroson. Naman’ny aretin-koditra izany izy io, hoy ny fanazavany. Nendram-boalavo no efa fantantsika taloha na hoe «varicelle» no filaza azy. Ny «variole» kosa dia otrikaretina na «virus» fa mipoitra aty amin’ny hoditra. Mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana izy io, izany hoe mbola mipetraka foana ilay hoe serasera. Isan’ny mampifindra azy izany, ohatra, ny fifanorohana, firaisana ara-nofo, tsiranoka mifamindra sy ny marobe. Antony, noho izany, izany rehetra izany ilantsika tena mitandrina be amin’io resaka «virus» io satria miankina be dia be amin’ny hery fiarovan’ny olona foana ny maha mora voa na sarotra voa azy io. Ilaina, noho izany, ny fanaovana izay hampatanjaka ny tena, ny fanaovana tanana madio sy ny namany ohatran’ireny fepetra noraisina tamin’ny COVID 19 ireny ihany. Ny COVID moa mandeha amin’ny lalan-drivotra fa ity tena fifampikasohana ara-batana. Ny tena mampatahotra dia hoe mety miova tampoka ilay «virus» dia hanome «séquence» na zotran’aretina hafa fanampiny. Ny tsy hitoviany amin’ny COVID 19 aloha dia ny COVID 19 tonga dia hita hoe mahafaty. Ity mety mahafaty ihany fa mety latsaky ny 30% angamba ny taha mety hahatongavana amin’ny fahafatesana vokatry ny «variole» izany. Raha miisa 8 tamin’ny olona miisa 10, ohatra, no maty tamin’ny COVID 19 dia ity angamba 2 anaty 10. Manana ny antibiotika sy fanafodiny koa ny «variole de singe», ankoatran’ny fitsaboana azy. Tsy dia misy ifandraisany amin’ny resaka toetr’andro loatra io aretina io fa ny fifampikasohana no tena mila sorohana, hoy hatrany ity Dokotera mpitsabo ity. Tsiahivina fa hahamehana iraisampirenena na «urgence sanitaire mondial» moa amin’izao fotoana izao ny aretina «Variole de singe». Firenena afrikanina miisa 5 hatreto no fantatra fa efa ahitana ity aretina ity.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique