hoy ny Dokotera mpitsabo, Dr Marius Ramaroson. Misy fotoana mirongatra be ny fisehony satria be dia be, hoy izy, ny olona voa. Amin’ny alalan’ny firobohana anaty rano no mahatonga ny bilarziozy. Misy karazany roa izy io. Misy ny bilarziozin’ny amany na «pipi» dia misy ny bilarziozin’ny tsinay. Karazana biby kely na «parasite» mihinana rà ny bilarziozy. Fambara lehibe izany ny hoe mamany rà na mangery rà ilay olona. Ireny rà mivoaka any ireny izany no manome ny atodin’ilay bilarziozy. Bibikely miditra any anaty atao hoe «mollusque» io zavatra io dia avy eo manome bibikely na «larve» iny atody iny. Iny avy eo no miditra any anaty vatatenan’ny olombelona sy mamorona dingana na «cycle» sy mihinana rà ao indray dia mahatonga ilay fivoahana maloto feno rà amin’ny olombelona teo. Ny tsinay na ny maha vehivavy no misy izany. Efa voafaritra tsara ny toerana misy azy eto Madagasikara. Ny faritra Atsinanana sy afovoatany iny izao, ohatra, tena hoe bilarziozin’ny tsinay no any. Ny andrefana sy avaratra no azo lazaina hoe betsaka an’ilay bilarziozin’amany. Ny atodin’ny bilarziozy izany dia hita any amin’ny maloton’ny olombelona aloha fa aty aoriana vao mety hoe ho hita anaty rà. Tsy hoe vanim-potoany izao fa sendra misy fisehony mampirongatra azy na «poussé épidémique» angamba ankehitriny matoa hoe mirongatra ny any Amoron’Imania na koa hoe efa misy voa eto Antananarivo. Ohatran’ireny gripa mirongatra sy ny tariny ireny ihany. Tsy misy hoe vanim-potoana ny «endémie» na aretina mpitranga matetika fa rehefa te hiseho dia miseho. Ny Choléra indray dia tena areti-mifindra. Aretin’ny loto io. Tena mifindra amin’ny alalan’ny tanana. «maladie des mains salles», hoy ry zareo. Tena faran’izay mora mifindra sy faran’izay masiaka ben y fisehon’izy io. Anaty tapak’andro dia mety tsy hahatsiaro tena sy very rano ilay olona. Misy fitandremana manokana tokony atao izany amin’ny resaka fahadiovana. Heritrereto tsara fa tamin’ny fotoana nandalovan’ny Choléra teto, isany nisy tany Atsimo atsinanana, toy ny tany Manakara sy ny manakaiky azy. Olona avy any no nitondra ilay Choléra niakatra teto. Olona notsaboiko io. Tsy nahafantatra aho hoe Choléra io fa olona tany izy no nahazo ilay «contact» na fifampikasohana no niakatra taty dia heritrereto tsara izany hoe nanao ahoana ny lalan’ilay Choléra mandra-pahatongany teto Antananarivo? Mora tsaboina ilay izy fa tena masiaka ny fiasany sy fifindrany raha vao tsy voaray an-tanana haingana. Izao moa heno hoe efa ao Kaomoro indray no misy fa tadidio fa ny Choléra tonga farany teto koa toa tao Kaomoro no niandoha? Tamin’iny efa hoe niparitaka tanaty fiaramanidina ny maloton’ilay olona dia iny izany no tena hoe mora miparitaka haingana be. Averiko ihany fa mora tsaboina ny Choléra fa zava-doza vao tsy voaray an-tanana haingana, hoy hatrany ity mpitantana ny klinika Saint Thomas etsy Faravohitra ity.
J. Mirija
Mihanaka ny areti-mandoza SIDA any amin’ny Faritra DIANA. Raha araka ny vaovao voaray avy any an-toerana
Tontosa ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny Akademia malagasy etsy Tsimbazaza ny andiany fahatelo
Tokony hampiasana vatana isan’andro ny olona manana toe-tena diabetika.