airtel

Fahasalamana

30-mai-2024

FAHAIZANA MANISIN-DELO

Miaro ny ankizy amin’ny olan’ny tsy fandrenesana

Sample post image

Miaro ny ankizy amin’ny olan’ny tsy fandrenesana mety hitranga ny fahaizana manisin-delo.

30-mai-2024

Mihabetsaka tokoa mantsy amin’izao fotoana ireo olona manana olana amin’ny fandrenesana aty amin’ny tany Afrikana, raha araka ny fanazavan’ny dokotera Randrianarisoa Theodore, lehiben’ny sampandraharaha ORL eo anivon’ny hopitaly Loterana etsy Ambohibao. Mbola kely ny ankizy araka izany indrindra rehefa voan’ny sery dia hampianarina tsara mba hahay hamoaka ny lelo ao anatin’ny orony. Iny lelo miangona ao anaty orona iny mantsy hoy ity dokotera ity rehefa mitambatra dia lasa mankany amin’ny sofina ka lasa miteraka aretina hafa tsy hahafahana mandre feo tsara intsony. Ankoatra izay hoy izy dia miparitaka eny an-tsena amin’izao ireo karazana fitaovana fisokirana sofina indrindra fa ireo vita amin’ny vy. Ho an’ity farany manokana dia nambarany fa tena fady ny mampiasa azy ireny hiarovana ny fahasalaman’ny sofina. Mety handona zavatra maro any anaty sofina any mantsy ny fampiasana izany ka ilana fitandremana.
Pati
Legende : Fady ny mampiasa ireo fisokirana sofina vita amin’ny vy hoy ny dokotera Randrianarisoa Theodore, lehiben’ny sampana ORL eo anivon’ny hopitaly Loterana Ambohib
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Namoaka serasera ofisialy manamafy ny fanapahan-kevitry noraisina tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 16 oktobra

Card image cap