airtel

Fahasalamana

21-juin-2024

FAHASALAMANA

15 000 isan-taona ny olona voan’ny areti-maso

Sample post image

Saika hita eto Madagasikara avokoa ny karazana areti-maso misy eran-tany hoy ny Dr Solofo Georges,

21-juin-2024

médecin ophtalmologiste sy lehiben’ny IVM. Loha-laharana voalohany mitarika fahajambana manerantany ny katarakta. Raha ny eto Madagasikara manokana dia 15.000 isan-taona ireo olona tratran’ny aretina katarakta. 1 hatramin’ny 3 isanjaton’ireo marary maso ihany koa no tratran’ilay aretina “glaucome” ary 2 isan-jaton’ny ankizy mianatra no manana olona amin’ny fahitana. 50 eo kosa ny isan’ny “ophtamologue” eto Madagasikara raha ny nambaran’ny INSTITUT DE LA VISION MADAGASCAR.
Mila fitsaboana maso ny olona eto Madagasikara ary tsy ampy ny isan’ny mpitsabo maso miandraikitra ny fandraisana an-tanana ny vahoaka Malagasy izany hoy docteur James Davidians, filohan’ny Adventist International Eye Services. Tonga eto Madagasikara manamarika ny faha-20 taona ny INSTITUT DE LA VISION MADAGASCAR ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy avy any Etazonia amin’izao fotoana. Toeram-pitsaboana maso nitsangana teto Madagasikara ny taona 2004 ny IVM, izay najoron’ny Dr Gordon Miller ho entina mitsabo ireo Malagasy tratran’ny areti-maso ary ny Dr James Davidians kosa ny filoha ankehitriny.
Fitsaboana maimaimpoana ho an’ireo olona marary maso miisa 100 isan’andro mandritra ny herinandro, fanolorana fanomezana PPN ho an’ny akany “orphelinat kids hope” ary fametrahana ny vato fototry ny ivon-toerana fiofanana ho an’ny mpitsabo maso no nanamarihan’ny IVM ity faha 20 taona nisiany teto Madagasikara ity.
Lalaina RAV
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Namoaka serasera ofisialy manamafy ny fanapahan-kevitry noraisina tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 16 oktobra

Card image cap