miara-miasa amin’ny oniversite eto Antananarivo izay ahitana mpahaiolona na “anthropologue” sy mpahaifanafody na “pharmacologue” dia satria nisy tetikasa iray izay nanatonan-drizareo anay amin’ny resaka fitsaboana nentim-paharazana, hoy ny filohan’ny Fikambanamben’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara na ANTM, Josephin Andriandrainarivo. Izay sy ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka moa izany, hoy izy, no miara-misalahy amin’io tetikasa antsoina hoe “Tradimad” na “Tradipraticiens de Madagascar” io mandritry ny 5 taona. Tanjon’izy ireo ny antsoina hoe “reconnaissance mutuelle” amin’ny fitsaboana nentim-paharazana sy ny fitsaboana mahazatra, izany hoe, fankatoavana ny fifamenoana eo amin’io endri-pitsaboana miisa 2 ireo. Liana izahay satria tena mitady izany raha ny fitsaboana nentim-paharazana manokana satria raha ny lalàna eto amintsika fotsiny no jerena dia voaresaka ao ny mikasika ny fanamboaram-panafody sy ny toy izany. Ny lafiny ara-kolontsaina, misy lalàna sy didim-panjakana ary didim-pitondrana mikasika izany. Efa tokony hitovy tantana amin’ny lafiny rehetra nefa mbola misy ihany ny lafiny tsy hitoviana mihitsy. Ny lalàna misy fa ny fampiharana azy tsy mitovy. Ny lafiny siantifika dia mihevitra foana fa rehefa hiara-kiasa dia tsy maintsy hainy ny zavatra ataonay. Ambany foana ny zavatra ataonay vao ekeny nefa tsy izay ilay atao hoe “mutuelle” fa tokony hoe mitovy ny fiheverana azy. Samy mahalala sy mahay ny azy fa tsy hoe izahay hanao ny azy na ry zareo hanao ny anay. Ny vokatra andrasana kosa dia ny soa iombonan’ny fiarahamonina manontolo. Eo amin’ny lafiny fampiterahana izao dia misy ny antsoina hoe “matronne” na renin-jaza izay mbola voahilikilika eto Madagasikara ary tadiavina mihitsy izay fomba tsy ampiterahan’ireny olona ireny fa lazaina ho mamono olona sy ny sisa nefa aiza moa no tsy hisy faty olona na any amin’ny hopitaly na CSB na aiza? Rehefa renin-jaza no mampiteraka ka tsy azo ilay zaza dia lazaina fa namono olona ilay renin-jaza. Rehefa hopitaly na toy izany anefa dia hoe maty ara-dalàna izany. Efa mila fanamboarana ny lalàna mifanitsy amin’izany rehetra izany, hoy hatrany ny ANTM, ka heverina fa isan’ny lalana hanafainganana izany fanatsarana izany ny fiaraha-miasa amin’ireto manam-pahaizana avy any Belzika ireto.
J. Mirija