airtel

Fahasalamana

21-août-2024

Fepetra isorohana ny «Variole de singe»

«Aoka mba tena atao am-pahamatorana!»

Sample post image

Manaitra ny sain’izao tontolo izao ankehitriny ny fiparitahan’ilay valanaretina «Variole de singe»,

21-août-2024

hoy ny antoko politika Otrikafo. Mampivarahontsana, hoy ny filohan’izy ireo, Elia Rabevahiny, ny mahita ny sarin’ireo olona voa azy io. Efa nisy moa ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana malagasy amin’ny alalan’ny minisiteran’ny fahasalamana dia ny fampiasana ireo karazana fepetra sakana rehetra mba tsy hidiran’io valanaretina io eto amintsika. Ny seranam-piaramanidina miditra sy mivoaka an’i Madagasikara izany no nandraisana izay fepetra izay. Ho ahy manokana amin’ny maha filohan’ny Otrikafo ahy dia heveriko fa adidy ny mampahatsiahy satria tamin’ny fiainantsika ireny valanaretina COVID 19 ireny dia nisy tokoa ny fepetra noraisina saingy tsy hentitra ilay fepetra raha tsy tafiditra teto Madagasikara ilay aretina. Teraka mihitsy moa tamin’ireny ny adihevitra hoe natao izay hahatafiditra ilay aretina teto mba hahazoana famatsiam-bola sy ny tahaka izany. Amin’ity indray mitoraka ity, aleo mba tsy ho atao sahala amin’izay ilay izy fa rehefa raisina ilay fepetra dia aleo tena atao hentitra mihitsy satria raha izao fahantran’ny firenena izao amin’ny lafiny toekarena, misy fiantraikany amin’ny sosialy, no mbola ho tafiditrana valanaretina tahaka an’ireny eto Madagasikara dia hoya ho hoe vao mainka tena ho sahirana. Aoka mba tena atao am-pahamatorana ilay fepetra rehefa ho atao! Izay olona mahafantatra sy mahafehy ilay valanaretina no tokony hiditra an-tsehatra amin’ny fanentanana ny vahoaka malagasy ao anatin’ilay izy satria tsy vitan’ny fandraisana fepetra fotsiny angamba izany fa tokony hisy fanentanana mihitsy atao amin’ny vahoaka malagasy mba hahafahana miomana sy manakana ny fidiran’ny valanaretina tahaka ireny eto amintsika. Aleo misoroka dieny mialoha mba tsy hidiran-doza ny firenentsika. Mba tsy ho sanatria io indray atsy ho atsy no ilazana fa antony mampikatso ny fampandrosoana ny firenena sy ny tahaka izany. Fantatra tsinona fa efa maro no matin’ilay valanaretina taty Afrika sy tamina firenena samihafa, hoy hatrany ny antoko politika Otrikafo.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique