airtel

Fahasalamana

01-sept-2023

Fitiliana diabeta sy tosi-drà avo

Mpiasan’ny Ministeran’ny fiarovana maro no natao fitiliana

Sample post image

Mahafaty ny aretina diabeta. Toraka izany koa ny tosi-dra avo. Ho fanaraha-maso ny toe-pahasalaman'ireo mpiara-miasa

01-sept-2023

eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena sy hahafahana misoroka ny voka-dratsy aterak’ireo aretina ireo dia nikarakara fitiliana maimaim-poana ny aretina diabeta sy ny tosi-drà ny Fitaleavana ny Sampandraharan'ny Fitsaboana Miaramila (DCSSM) etsy Ampahibe nanomboka afak’omaly Alarobia 30 Aogositra. Nifarana omaly Alakamisy 31 Aogositra izany ka anisan’ny nahazo tombony tamin’izany ihany koa ny fianakavian’ny mpiasa. Tanjona ny hahazoan’ireo mpiasa fahasalamana lalandava indrindra manoloana ny fiatrehana ny tsy fahasalamana tampoka amin’izao fiainana efa tena sarotra izao. Am-polony moa ireo nahazo tombontsoa tamin’izany.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo mpiasa nahazo ilay fitsaboana maimaim-poana !

 

Dans la même rubrique