airtel

Fahasalamana

17-juil-2024

FITSABOANA NY HOMAMIADAN’NY ZAZA

Nahazo fitaovana ny Hopitaly HJRA

Sample post image

Nisitraka fampitaovana ny "Service Oncologie pédiatrique"

17-juil-2024

misahana ny fitsaboana ny homamiadan'ny zaza eo anivon’ny hopitalim-panjakana HJRA Ampefiloha. Toraka izany koa ny "Service des Urgences" na ny fandraisana ny vonjy aina. Fauteuils roulants no azon’ireo sampandraharaha roa ireo, fanomezana avy amin’ny fikambanana Le Sourire d’onjA, natolotra omaly Talata 16 jolay. Tanjona ny hanatsarana ny fandraisana an-tànana ireo marary manaraka fitsaboana ao amin’ireo sampandraharaha roa ireo.Naneho fisaorana ireo tompon'andraikitra ao amin'ny Fikambanana ny tale teknikan’ ny hopitaly sy ireo mpiara-miasa aminy. Tsiahivina moa fa am-polony ireo ankizy tratry ny aretina homamiadana mitsabo tena ao amin’ny hopitaly HJRA amin’izao ka ireo tratry ny homamiadan’ny ra sy ny maso no betsaka, raha ny loharanom-baovao azo.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fitaovana !
 

Dans la même rubrique