airtel

Fahasalamana

25-févr-2025

HOMAMIADAN’NY VOZON’NY TRANON-JAZA

Ny 9,4%-n’ny vehivavy Malagasy no tratrany ny taona 2024

Sample post image

Ny 9,4%-n’ny vehivavy Malagasy tamin’ny taona 2024 no fantatra fa tratry ny homamiadan’ny

25-févr-2025

vozon’ny tranon-jaza. Vehivavy 76 isa tamin’ireo 14.780 isa natao fitiliana no lasibatra raha araka ny tatitra nataon’ny Fondation Akbaraly niaraka tamin’ny Pr Jean-Marie Dangou, manam-pahaizana avy amin'ny Firenena Mikambana. Nambaran’ity manam-pahaizana ity araka izany fa tena manao ezaka lehibe hanampiana ny ankohonana Malagasy ny Fondation Akbaraly. Ny vehivavy mantsy hoy izy no andry hiankinan’ny fianakaviana noho izy ireny miteraka sy mitantanam-bola koa rehefa ny vehivavy no tsy salama dia hitontongana ny fiainan’ny tokantrano izay misy fiantraikany eo anivon’ny fiaraha-monina ary mipaka hatrany amin’ny toe-karem-pirenena mihitsy. Fantatra moa fa ankoatra ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza dia betsaka ihany koa ireo vehivavy Malagasy tratry ny homamiadan’ny nono, aretina voasokajy ho laharana fahatelo mamono olona betsaka indrindra amin’izao.
Pati
Legende : Miezaka manampy ny vehivavy hiady amin’ny aretin’ny homamiadana ny Fondation Akbaraly sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy !

 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Miparitaka ny areti-maso any amin’ny distrikan’i Bekily.

Card image cap
24-mars-2025

Miparitaka ny areti-maso any amin’ny distrikan’i Bekily.

Card image cap