anivon’ny hopitalim-panjakana Centre Hospitalier Universitaire Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Nampahafantatra ireo karazana sampandraharaha misy ao aminy araka izany ireo tompon’andraikitra ao amin’ity hopitaly ity mba hampahafantarana ireo tsy mahalala hisorohana ny fahasahiranana mety ateraky ny fivezivezena. Mahatratra 23 isa hatreto ireo sampandraharaha misy ao amin’izy ireo. Anisan’izany ny sampandraharaha miandraikitra ny vonjy aina, ny sampandraharaha mitsabo ny ratra na ny aretina mahazo ny taolana sy ny vanin-taolana, ny sampandraharaha famelomana aina sy fitsaboana ireo tratry ny tranga fanampoizinana, ny sampandraharaha famelomana aina hoan’ireo marary mafy avy nodidiana na ireo mbola handalo fandidiana. Ao amin’izy ireo koa ny sampandraharaha miandraikitra ny fitsaboana ny dona na ireo aretina mila fandidiana mahazo ny loha sy ny atidoha, ary ny taolana sy ny tsokan-damosina, ny sampandraharaha mitsabo ireo aretin’ny taovam-pandevonan-kanina sy ny anaty kibo ka mila fandidiana, ny Sampandraharaha mitsabo ireo tranga na aretin’ny zaza ka mila fandidiana….Mbola ao amin’izy ireo ihany koa no ahitana ny sampandraharaha mitsabo ireo aretina mahazo ny taovam-pamaniana sy taovam-pananahana amin'ny lahy sy vavy, ny Sampandraharaha mitsabo ireo aretina mahazo ny voa, ny Sampandraharaha fitsaboana ireo areti-maso, ny Sampandraharaha fandidiana ny areti-tratra sy ny avokavoka. Ho an’ireo tratry ny aretina tsy mila fandidiana kosa dia mampahafantatra izy ireo fa afaka manatona ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka ireo marary orona na tenda na sofina. Ny ao Befelatanana kosa no mandray an-tanana ireo marary nify na ativava.
Pati
Legende : Miasa mafy ny sampana vonjy aina eto anivon’ny hopitali-panjakana CHU HJRA !