airtel

Fahasalamana

26-août-2024

Infirmiera tsy ara-dalana

Hangotraka ny fanenjehan’ny Holafitra

Sample post image

Tsy hanaiky lembenana amin’ireo infirmiera tsy ara-dalana intsony ny Holafitry ny infirmiera eto amintsika

26-août-2024

tarihin’ny Filohany Botosera Jean Aimee. Hanara-maso akaiky azy ireny izy ireo manomboka izao ka tsy ekeny hisehatra amin’ity asa ity intsony ireo tsy manana diplaoma niofanana ho infirmiera nandritra ny 3 taona ho fiarovana sy ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka. Saika ny infirmiera avokoa mantsy no mampandeha ny 90%-n’ny asa fitsaboana ny marary eny anivon’ny hopitaly amin’ny ankapobeny. Nifarana omaly Alahady 25 Aogositra tany amin’ny distrikan’i Nosy Be, Faritra DIANA ny atrikasa notanterahin’izy ireo nentina nandinihina ny fomba hananganana ny fikambanan’ny infirmiera aty Afrika ka isika eto Madagasikara no hitantana azy. Anisan’ny ho mpikambana ao anatin’izany ny Nosy rahavavy Maurice, Seychelles, Repoblika demokratika an’i Congo, Rwanda, Tanzanie….Tanjona ny hampitovian’ireo firenena mpikambana ny fomba fijeriny amin’ny fiatrehana ny asa tanterahina ankoatra ny fametrahana ny maha-olona ny infirmiera. Tsy mahavita tena irery rahateo isika eto Madagasikara hoy Atoa Botosera Jean Aimee fa mila misokatra amin’ny hafa. Ho antsika eto Madagasikara manokana moa dia fantatra fa miisa 45.000 ankehitriny ny infirmiera. Miisa 19.000 ireo efa tafiditra ho mpikambana ao amin’ny holafitra raha 10.000 ireo efa nahavita nandamina ny toerana misy azy ankehitriny.
Pati
89 Legende : Ny infirmiera no tena mampandeha ny 90%-n’ny asa eny anivon’ny hopitaly amin’ny ankapobeny !

 

Dans la même rubrique