airtel

Fahasalamana

06-juin-2024

KAOMININA IVATO

Hanatanteraka famoran-jaza faobe

Sample post image

Sahirana ny ankamaroan’ny Malagasy amin’izao. Na ny hanin-kohanina aza mila tsy ho hita intsony,

06-juin-2024

antony mahatonga ireo zazalahikely marobe tokony hoforaina mbola tsy vita izany eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Misy efa mahatratra 7 taona ny sasany nefa mbola tsy vita izany ihany . Noho io antony io indrindra no manosika ireo kaominina maro hanatanteraka famoran-jaza faobe mandritra ity volana Jona ity. Tafiditra ao anatin’ny iray volana ho an’ny ankizy rahateo izany no sady fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny fahaleovantena. Ho an’ny kaominina Ivato, distrikan’Ambohidratrimo manokana dia amin’ny datin’ny 22 Jona ho avy izao no hanatontosany izany. Efa misokatra ny fisoratan'anarana eny anivon’ireo Fokontany miisa 13 na koa manatona ny biraon’ny kaominina. Fantatra moa fa hataon’izy ireo famorana maimaim-poana eny fa na dia ireo olon-dehibe aza ka mbola tsy vita izany.
Pati
Legende : Amin’ny fomba amerikanina tahaka izao no hanaovana ilay fandidiana !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Namoaka serasera ofisialy manamafy ny fanapahan-kevitry noraisina tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 16 oktobra

Card image cap