19 407 ny tranga amin'ny volana jona 2024, raha ny antontan’isa. Tany amin’ny 6 705 anefa tamin'ny taona 2018, ary 9 277 tamin'ny taona 2019, araka ny antontan'isa avy amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Tafakatra 8,18% ny taham-pahavoazana ho an’ireo olona mandray zava-mahadomelina, raha 2,77% kosa ho an’ireo voatazona any am-ponja). Toe-javatra mampanahy ! Tokony ho laharam-pahamehana ny fanatsaharana avy hatrany ity fiparitahan'ny VIH ity. "Ity fiakana mitohy ity dia mampiseho fa mety hihabetsaka haingana izy raha tsy misy hetsika hatao mba hanakanana azy amin'ny fotoana fohy," hoy i Anne Gituku-Shongwe, talem-paritry ny ONUSIDA ho an'i Afrika Atsinanana sy Afrika Atsimo nandritra ny fihaonambe nasionalin'ny tambajotra SDSR (Santé et Droits Sexuels et Reproductifs) izay natao nandritra ny roa andro tao Ivandry, araka ny tatitry ny fampahalalam-baovao iray omaly. Araka ny nambaran'ny filohan'ny tambajotra SDSR, Mahefa Liliane Rajaobely, "ny fitomboan'ity tranga ity dia vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana feno momba ny firaisana ara-nofo, na eo amin'ny fiarahamonina na ao anatin'ny sekoly." Noho izany no antony iasan'ny tambajotra amin'ny fanentanana ny tanora mba hifantoka amin'ny fanabeazana ara-nofo, indrindra indrindra amin'ny fampahafantarana azy ireo ny vokatra ratsy ateraky ny tsy fahalalana momba ny VIH SIDA. "Hiady miaraka amin'ny VIH SIDA isika," araka ny lohahevitra nosafidiana ho an’ity taona ity. Miainga amin’ny fitiliana no handrefesana tahan’ny fahavoazana ary mety tsy haharototra ny olona ilay hoe : 0,4%, saingy mbola tsy marisika amin’ny fitiliana ny tsimok’aretina VIH/SIDA ny ankamaroan’ny Malagasy, ka ilaina hatrany ny mitandrina sy mailo satria mety ho ambony lavitra noho ny antontan’isa ofisialy ny tena zava-misy.
Toky R