airtel

Fahasalamana

24-juil-2024

Manda Bio Santé

«Iharana fisolokiana izahay ankehitriny»

Sample post image

14 taona tamin’ny volana martsa teo izao no nijoroan’ny Manda Bio Santé, hoy ny tompony

24-juil-2024

sady nanangana azy, Manda Ralantoharitsimba. Niainga tamina anarana izy io, hoy izy, fa tsy hoe noforoporonina. Izahay sady ao anaty minisiteran’ny fahasalamana no ao anatin’ny OMAPI sy ANTM. Ara-dalàna tsara izahay no dikan’izany fa tsy misoloky. Iharan’ny fisolokiana izahay ankehitriny. Maro ireo pejy sy toerana ahitana ilay hoe Manda Bio Santé dia rehefa voa any amin’ireo mpisandoka ilay olona vao mahafantatra ny fisianay. Eny Ambohitrimanjaka, Antsahamarina ihany no misy ny Manda Bio Santé tena izy. Mpivarotra vokatra vita sinoa fotsiny ireo anaty Facebook be dia be ireo. Tsy hitovy mihitsy ny fitsaboanay sy ireny mpisoloky ireny. Sitrana tanteraka ao aminay ary tsy miverimberina ny aretina fa ny any amin-drizareo nefa isaky ny mihetsika ianao hividy fanafody. Misy izao ny tsy nifandraika tamin’ny aretiny ny fanafody azony tany amin’ireny mpisoloky ireny dia lasa miantso anay izy nefa tsy vokatra avy eto aminay. Misy akora ampiasan-drizareo tena fady ho anay ny mampiasa azy ary ny anay dia vokatra vita avy eto an-toerana. Mamono ny asanay ireo misoloky. Tsy manimba ny asanay ihany fa manimba ny fahasalaman’ny olona koa. 2 taona teo angamba no efa tsikaritra ireo mpisoloky ireo ary eo am-panangonana hatrany ny fijoroana vavolombelon’ireo lasibatr’izany fisolokiana izany izahay izao. Miaraka mitory amin’ireo olona voasoloky izahay avy eo. Marobe no efa mitaraina amin’ny fisolokian’ireo. Maro ireo mpisoloky hitanay ao ary tena alefany isaky ny boriboritany mihitsy ilay izy. Pejy miisa 4 izao no hitanay any. Tsy ny olona rehetra mikirakira Facebook akory no hilalao ny fahasalaman’ny olona. Mba jereo ihany rehefa miditra amin’ny toerana andraisan’izy ireny olona hoe manana fankatoavan’ny minisitera sy ANTM ve izy ireny, indrindra, fankatoavan’ny minisitera, hoy hatrany ity orinasa ity?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique