airtel

Fahasalamana

10-sept-2024

MARARY TONGA MANATONA DOKOTERA

Mihoatra ny 100% ireo manao trosa

Sample post image

Mitombo be ireo marary tonga manatona dokotera tato anatin’ny telo herinandro izao.

10-sept-2024

Ankoatra ireo mitaraina ho marary vanin-taolana dia tsy vitsy ireo reraka, fanina, marary an-doha, misy hafanana raha tsy lazaina intsony ireo jenjin’ny sery sy manao koho-maina. Tsy hanavahana sokajin-taona izy io raha araka ny fanazavan’ny dokotera tsy miankina iray fa saika hataony mahita faisana avokoa indrindra fa ireo reraky ny asa fitadiavana nefa mbola tsy tena ampy sakafo ihany koa. Ny tena mampalahelo hoy hatrany ity dokotera ity dia tsy manana fahafahana ny hitsabo tena intsony ny ankamaroan’ny Malagasy. Teren’ny aretina ny ankamaroany dia tsy maintsy manatona fa raha ny vola any am-paosy hanefana izany dia tena tsy misy. Mihoatra ny 100% ireo lasa manao trosa amin’izao raha araka ny fanazavany hatrany, eny fa dia ireo tombanana ho manan-katao aza. Ho an’ireo olom-pantatra dia saika mangataka roa herinandro na telo herinandro vao afaka mandoa izany raha mandoa tsikelikely mandra-pahatapitry ny tsindrona kosa ny sasany. Nambaran’ity dokotera ity moa fa vokatry ny hasarotan’ny fiainana avokoa no mahatonga izany. Raha mahatratra 15 isan’andro ireo olona tonga ao aminy dia ny 1 ihany no mba manana fahafahana mandoa ny saram-pitsaboana rehetra. Nomarihiny manokana moa fa aina no vonjena ka ho an’ireo tena sahirana dia tsy maintsy manampy izy saingy mametraka fepetra ihany mba tsy hikatonan’ny orinasakeliny ihany koa.
Pati
Legende : Asa masina ny an’ireo mpitsabo tsara sitrapo ka tsy maintsy manavotra ain’olona tahaka izao !

 

Dans la même rubrique