airtel

Fahasalamana

29-oct-2024

Mbola manahirana an’i Madagasikara ny tazomoka

Mahatratra 26 tapitrisa dolara ny fanohanan’i Etazonia

Sample post image

Manohana ny hetsika fizarana lay misy odimoka miisa 14,9 tapitrisa

29-oct-2024

eto Madagasikara ny Amerikanina, amin’ny alalan’ny Vinan’ny Filoha Amerikanina amin’ny ady amin’ny tazomoka antsoina hoe: “PMI”. Mitondra tan-tsoroka amin’ny PNLP (Programme National de Lutte contre le Paludisme) hanamafisana ny fepetra fiarovana amin’ny tazomoka izay voaporofo fa mahomby sy tsy lafo ary mamonjy aina. Tamin’ity taona ity fotsiny dia olona mihoatra ny roa tapitrisa no tratry ny tazomoka teto Madagasikara ary ity aretina ity no lohalaharana amin’ny antony hanantonan’ny marary tobim-pahasalamana, raha ny fanamarihana. Anisan’ireo fepetra fiarovana ny fizarana lay misy odimoka, ny famendrahana ranom-panafody mamono moka, ny fanomezana fanafody fisorohana odimoka an’ireo vehivavy bevohoka sy ny fanaovana fitiliana ary ny fanarahana fitsaboana mahomby. Noho izany, nanomboka ny 26 oktobra lasa teo ny PMI, vatsian’ny governemanta amerikana vola, dia manohana ny fizarana lay misy odimoka miisa 2,9 tapitrisa. Hiaraha-miasa amin’ny « Fonds mondial de lutte contre le SIDA, la tuberculose et le paludisme » ny hetsika, izay hizarana lay misy odimoka miisa 14.9 tapitrisa, ka ny Fonds mondial no hanome ny 12 tapitrisa fanampiny, raha ny fanazavana. Nambara fa rehefa ampiasaina araka ny tokony ho izy ireo lay ireo dia afaka mampihena hatramin’ny 25% ny tahan’ny trangana tazomoka ary miaro ireo olona mahazo izany. Nanamafy ihany koa fa manohana hetsika famendrahana ranom-panafody hiadiana amin’ny tazomoka i Etazonia, ka naneho fa hiaro olona miisa 569,949 amin'ny tazomoka mahafaty ity ezaka fanao isan-taona ity. Ny 28 oktobra hatramin’ny 22 novambra izao ka tokatrano miisa 109 292 avy amin’ny distrika efatra izay nahitana trangana tazomoka betsaka dia Ivohibe, Isandra sy Ankazoabo ary Ikalamavony no hisitraka. Ny governemanta amerikana no anisan’ireo mpamatsy vola lehibe indrindra amin’ny ady atao amin’ny tazomoka eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fanomezana famatsiam-bola mitentina 26 tapitrisa dolara isan-taona hisorohana sy hifehezana ny tazomoka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-nov-2024

Miaina anaty hafanana tanteraka isika eto an-drenivohitra ankehitriny.

Card image cap
20-nov-2024

Tovovavy kely vao 18 taona monja i Rochelinah. Teo amin’ny faha-9 taonany izy no fantatra fa manana ilay toe-tena diabetika

Card image cap