eto amintsika amin’ity taona 2024 ity, raha ny vinavinan’ny Sampadraharaha maneran-tany misahana ny Fahasalamam-bahoaka na ny OMS. Nanomboka tamin’ny taona 2018 no mankaty mantsy dia tsy nitsaha-nitombo ireo olona tratra ity areti-mandoza ity teto Madagasikara ka vehivavy no betsaka raha tsiahivina. Ankoatra ny ao Moramanga Faritra Atsinanana dia anisan’ny tena betsaka sy maro azy ireny ny ao an-drenivohitr’i Boeny sy ny ao Maevatanana ary tsy misy manao fitiliana avokoa ny ankamaroany fa mitsabotsabo tena fahatany rehefa marary nefa tsy mitsahatra ny mamindra amin’ny vady sy ny sakaizany ary ny olon-tiany. Tanora vao herotrerony avokoa moa ny ankamaroan’ireo mitondra ity otrik’aretina VIH/SIDA ity. Miantso ireo manana sakaiza maro mba hanao fitiliana araka izany ny tompon’andraikitra hahafahana miaro ity aretina ity tsy hiparitaka. Toraka izany koa ireo mahatsapa ny tenany ho tsy dia salama loatra sao sanatria. Tsy handoavam-bola moa ny manao ny fitiliana no sady mijanona ho tsiambarantelon’ilay dokotera sy ilay marary ihany koa izany.
Pati
Legende : Miisa 17.000 tamin’ireo nanao fitiliana tahaka izao no efa fantatra fa voan’ny SIDA !