Maro ny manambany sy manaratsy azy ireny, hoy izy, ary izy ireny dia terena tsy hanao dokam-barotra. Tafiditry ny antsojay politika koa ankehitriny ny mpitsabo nentim-paharazana. Maro no milaza ho hanakatona sy ny toy izany nefa izahay dia milaza fa tokony jerena akaiky ny momba ireo mpitsabo nentim-paharazana ireo. Be dia be ny olona nahita tombontsoa tamin’ny fitsaboana nentim-paharazana. Manoloana ny fifidianana akaiky dia ao ny fanakorontanana isan-karazany mila toherina. Miantso ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, izahay mba hijery akaiky ireo mpitsabo nentim-paharazana satria politikam-panjakana ireo resaka fitsaboana nentim-paharazana io. Be dia be ny fandrahonana etsy sy eroa. Tsy nisy nataonay afa-tsy nanasoa ny mpiara-belona sy nanandratra ny maha malagasy. Matoa aho nametra-pialana tsy ho tale jeneralin’ny FITRAMA dia mba hahafahanay miady kokoa ho an’izay maha malagasy izay. Mila fitoniana isika, hoy hatrany izy.
J. Mirija