airtel

Fahasalamana

11-sept-2024

Nendran-dRajako terena ho nendran-dRagidro

« Famotehana ny fizahantany sy ny lazan’i Madagasikara »

Sample post image

Mandon-databatra hatrany ny Pr Jonah Ratsimbazafy eo anatrehan’ny serasera diso atao momba ny

11-sept-2024

nendran-dRajako » na « variole du singe » na koa « MPOX » izay avadiky ny Fanjakana Malagasy hoe : «Nendran-dRagidro ». Nendran-drajako no tena, ka mahagaga ny filazan’ny Minisiteran’ny fahasalamana fa nendran-dragidro ka tokony hahitsy ny serasera diso satria misy akony sy miteraka laza ratsy ho an’ny gidro izay fananam-pirenena manokana, raha ny fanamafisany. « Fanapotehana ny fizahantany sy ny lazan’i Madagasikara no handraisako izany », hoy ny Pr Jonah Ratsimbazafy Mpampianatra mpikaroka fanta-daza amin’ny fiarovana ny varika na gidro izay harena mampiavaka an’i Madagasikara. Oviana, hoy izy, no nisy gidro tratran’izany ? Ny mpizahatany avy any ivelany efa mahalana, kanefa ny eto ihany koa efa tsy dia mitsidika an’ireo valanjavaboahary. Mila hamafisina ny fidirana sy ny fepetra ara-pahasalamana amin’ny fidirana eny amin’ny seranam-piaramanidina, tokony hisy fanokanana na « mise en quarantaine » ireo ahiahiana ho misy na efa ahitana soritr’aretina toy ny fibotsibotsinana eny amin’ny vatana. Tsara ny manamarika fa tsy mbola misy eto Madagasikara ity aretina ity, ka ny fiarovana no mila hamafisina.
Toky R

 

Dans la même rubrique