airtel

Fahasalamana

02-déc-2024

OLONA DIABETIKA

Tokony hampiasa vatana isan’andro….

Sample post image

Tokony hampiasana vatana isan’andro ny olona manana toe-tena diabetika.

02-déc-2024

Mila mahay mandanjalanja ny sakafo hohanina ihany koa arahin’ny fitonian-tsaina. Ireo no fepetra takiana amin’ireny karazan’olona ireny raha tiany ho tomombana ny toe-pahasalamany. Fomba tsotra ireo raha araka ny fanazavan’ny dokotera Haja Ramamonjisoa eo anivon’ny AMADIA etsy Faravohitra na ny Andiana Malagasy Miady amin’ny Diabeta nefa sarotra hatao. Nanoro sy nampihantra izany tamin’ireo mpikambana ny tenany sy ireo mpiara-miombon’antoka afak’omaly Sabotsy 30 Novambra tamin’ny alalan’ny diabe notanterahin’izy ireo tany amin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Dia an-tongotra 6 Km no natao tamin’izany ka olona manana toe-tena diabetika miisa 350 isa no nandray anjara tamin’izany. Miisa 40 kosa ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny AMADIA, 50 avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka niampy ny avy amin’ny sampandraharaha iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na ny OMS…Nambaran’ny dokotera Haja Ramamonjisoa hatrany fa anisan’ny fanehoana izay filaminan-tsaina izay ny fandehanana dia an-tongotra no sady fampiasam-batana ihany. Lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity rahateo ny hoe : Ny diabeta sy ny filaminan-tsaina. Nankalazaina afak’omaly Sabotsy ny androm-pirenena iadiana amin’ny diabeta. Tsiahivina moa fa ny 4%-n’ny mponina eto Madagasikara no manana ity toe-tena ity.
Pati
Legende : Ireo mpikambana eo anivon’ny AMADIA nandray anjara tamin’ilay diabe natao afak’omaly !

 

Dans la même rubrique

03-déc-2024

Mihanaka ny areti-mandoza SIDA any amin’ny Faritra DIANA. Raha araka ny vaovao voaray avy any an-toerana

Card image cap
02-déc-2024

Tontosa ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny Akademia malagasy etsy Tsimbazaza ny andiany fahatelo

Card image cap