mandraka androany. Maro ny zavatra hiainany hiavahany amin’ny olon-drehetra isan’andro izay tena hatrehiny amim-pitiavana tsy miahy ahiahy tokoa, raha araka ny resaka nifanaovany tamin’ny gazety Tia Tanindrazana.
Ahoana no nahafantarana fa manana ilay toe-tena diabetika ianao ?
Nihanahia kely aho teo amin’ny faha-9 taonako ary nianjera rehefa niakatra tohotra. Nandeha nanao fitiliana aho tamin’izay ka tamin’izany no nahafantarana fa manana ilay toe-tena diabetika aho izay tsy izaho ihany fa misy ihany koa ireo fianakaviako voa dia ny Dababeko sy ny nenitoako. Mitovy amin’ny olona tratry ny aretin’ny tosi-dra ihany ny olona tratry ny diabeta.
Inona no tsy maintsy hatao isan’andro ho an’ny olona manana io toe-tena io ?
Ho an’ny sakafo aloha dia tsy azo adino isan’andro ny legioma. Miampy vary sy laoka ary voankazo izany. Tsy dia misy loatra ny sakafo tsy azo hanina fa ny fahaizana mandanjalanja azy no ilana fahazarana kely. Ho an’ny fanaraha-maso ny tahan’ny glycemie indray dia efa manana glucometre mihitsy aho ao an-trano. Vao mifoha maraina aho dia efa mijery izany. Miankina amin’ny tahan’io glycemie no handanjalanjana ny zavatra tokony hatao rehetra mandritra ny tontolo andro toy ny fanafody hampiasaina sy ny sakafo hohanina. Vao mifoha aho dia mitsindrona insuline. Aorian’ny sakafo maraina indray aho mitsindrona. Toraka izay ihany koa alohan’ny sakafo atoandro. Ny alohan’ny sakafo hariva ary ny alohan’ny hatoriana ihany koa dia mitsindrona.
Manao ahoana ny vidin’io tsindrona tsy maintsy hampiasaina isan’andro io ?
Amin’izao 35.000 Ar ny flacon iray amin’io fanafody hitsindromana io. Mety maharitra iray volana io ho an’ny olona iray na tapa-bolana miankina amin’ny fahasalaman’ilay manana toe-tena diabetika nefa mety haharitra 3 volana koa ny an’ny sasany. Misy karazany 2 ilay tsindrona hitsindromana isan’andro ka ilay vao mifoha maraina sy alohan’ny hatory no mitovy. Ho anay tanora diabetika miara-miasa amin’ny AMADIA eny Faravohitra dia maimaim-poana.
Ahoana ny hiainanao izany eny anivon’ny fiaraha-monina, tsy misy fanilikilihana ve ?
Ny fanilikilihana aloha tsy misy fa afaka nampianatra ny ankizy tany am-pianarana indray aza aho momba ny fomba fisakafoanana sy ny fitaizam-batana hahafahana misoroka ny diabeta. Ho ahy manokana vao nahafantatra aho hoe : manana ilay toe-tena diabetika dia nampahafantarina ny talen-tsekoly izany. Nisy fotoana mantsy aho nanao krizy tany am-pianarana. Ny mahagaga ny olona fotsiny dia izahay ilay mitsindrona matetika.
Eo ihany koa ilay mihinana zavatra mamy ohatra dia hametrahan’ny olona fanontaniana hoe : angaha ianareo afaka mihinana an’ireny ?
Rehefa hanao fanatanjahantena anefa dia tokony mivatsy zavatra mamy toy ny akondro ohatra mba hamerenana ilay angovo very fa tsy hoe : tsy mahazo mihinana mihitsy akory.
Efa nanandrana tambavy ve ianao ?
Tena henonay mihitsy ireny tambavy misy milaza ho manasitrana diabeta ireny saingy aleo ihany dokotera. Ny dokotera ihany mantsy no afaka manome toro-marina tsara ary azo hanatonana raha vantany vao misy zavatra mampiahiahy. Ny mety manahirana kely dia raha sanatria manadino tsindrona indray mandeha ohatra fa sahirana mianatra…Iny mantsy no hiankinan’ny fiainana iray manontolo koa raha vantany vao adino izany dia tsy mahazo aina mihitsy mandritra ny tontolo andro.
Pati
Legende : Rochelinah miaina amim-pilaminana toy ny olon-drehetra na dia manana ilay toe-tena diabetika aza !
Miaina anaty hafanana tanteraka isika eto an-drenivohitra ankehitriny.