airtel

Fahasalamana

01-août-2023

Fahasalamana

RODOBE ARA-PAHASALAMANA Olona 1580 no nahazo tombony tao Ambositra

Sample post image

Betsaka ireo olona tsy afaka mitsabo tena intsony amin’izao. Noho ny fahasahiranana amin’ny ankapobeny sy ny hasarotan’ny fiainana no antony mahatonga izany.

01-août-2023

Raha tsy manana 20.000 Ar tokoa mantsy dia tsy mba afaka mizaha fahasalamana eny anivon’ireny mpitsabo tsy miankina ireny raha mbola ankoatra izay ny vola ilaina amin’ny fanafody. Izany indrindra no antom-pisian’ilay hetsika “Caravane médicale des 119 districts" na rodobe ara-pahasalamana karakarain’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Assocition Fitia. Tany amin’ny distrikan’Ambositra ireo fiarabe maromaro niaraka tamin’ny mpitsabo isan-tsokajiny no nanatanteraka ny asany omaly Alatsinainy ka olona miisa 1 580 no nisitraka maimaim-poana izany. Lohalaharana amin’ireny ny fizahana ankapobeny, fanaovam-baksiny, ny fitsirihana ny VIH/SIDA, ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy bevohoka, ny fitarafana… Ankoatra ny ady amin'ny tsy fahasalamana, ny "caravane médicale" dia nitondra fanentanana ho an'ny ady amin'ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na ny maha-vavy (VBG) ihany koa. Nahatratra 4 740 ny isan'ireo olona noentanina omaly tao Ambositra ihany tao anatin’ilay loha-hevitra hoe : "Sarobidy ny aiko".
Pati
Legende : Nahazo tombony ihany koa ireo ankizikely marary nify teto !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Namoaka serasera ofisialy manamafy ny fanapahan-kevitry noraisina tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 16 oktobra

Card image cap