airtel

Fahasalamana

22-août-2024

Zava-pisotro misy alikaola rehetra

Mety mampiakatra tosi-drà avokoa

Sample post image

Tsy ny divay ihany fa ny zava-pisotro misy alikaola rehetra rehefa mihoatra ny fatra tokony ho jifaina

22-août-2024

isan'andro dia mety mampiakatra tosi-drà avokoa, hoy ny manam-pahaizana momba ny resaka sakafo na «Nutritionniste diplômé», Fabrizio Fabi. Raha ny tokony ho izy sy raha jifaina araka ny tokony ho izy ny zava-pisotro misy alikaola dia tokony manatsara ny tosi-drà sy mampikoriana tsara ny rà satria ny alikaola manana ilay antsoina hoe "effet vasodilatateur", hoy ny fanazavany. Izany hoe mampisokatra ny lalandrà dia mampikoriana ny rà tsara kokoa ka mahatsara ny tosi-drà. Raha mihoatra ny tokony ho izy anefa ilay taha ana alikaola jifainao ao anatin'ny andro 1 dia lasa mifanohitra amin'io asany io indray ny ataon'ny alikaola. Ny divay manokana ary dia miavaka sy tsara kokoa ho an'ny fahasalamana raha oharina amin'ireo zava-pisotro misy alikaola hafa. Ny antony dia ny divay misy singa antsoina hoe "resvératrol", izay manampy ny vatana hamokatra singa iray hafa antsoina hoe "oxyde nitrique" izay singa manampy ny lalan-drà hisokatra tsara sy hahatonga ny rà hikoriana tsara. Ankotran'izay dia maha salama ny fo ihany koa ny "resvératrol". Fa na dia izany àry dia misy ihany koa ny atao hoe "effet placebo". Ka raha efa ataonao masaka ao an-dohanao foana hoe vao misotro divay ianao dia miakatra ny tosi-drà anao dia miakatra tokoa io rehefa misotro divay ianao na dia tsy tokony hampanao izay ary ny divay raha sotroina amin'ny fatrany tokony ho izy isan'andro, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique