airtel

Fampianarana

24-juin-2024

AKAMA 67 HA

100% ny taham-pahafaham-panadinana CEPE

Sample post image

Toy ny isa-taona dia tsara hatrany ny voka-panadinana CEPE ho an’ny Akanin’ny

24-juin-2024

Marenina etsy amin’ny 67 ha. 100% indray ny vokatra tamin’ity taom-pianarana 2023-2024 ity, raha ny vaovao azo. Afaka soa aman-tsara avokoa ireo 14 mianadahy niatrika izany ny 18 Jona lasa teo.Mankasitraka feno ireo mpanabe rehetra sy ny ray aman-dreny niara-nisalahy nahazoana ny vokatra ny Akanin’ny Marenina 67 ha. Nambaran’izy ireo moa fa tsy mitsahatra ny manatsara ny fomba fampianarana ao anatin'ny fivoizana ny fampiatiana ny sekoly tantanany satria "ny sekoly mahomby dia izay mahatafita ny mpianatra rehetra tsy ankanavaka" . Mbola maromaro moa ireo mpianatra ao amin’ny taona fahasivy hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC amin’ity taona ity ho an’ny AKAMA ihany. Efa vonona tanteraka ny hiatrika izany izy ireo, raha ny vaovao azo.
Pati
Legende : Ireo mpianatra afa-panadinana CEPE tao amin’ny sekoly AKAMA 67 ha !
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap