airtel

Fampianarana

03-juin-2024

Akany zandarimaria Arivonimamo

Nahazo fanampiana avy any Sina ireo zaza kamboty

Sample post image

Tonga nanolotra fampitaovana ho an'ny Akany Zandarimaria ao Arivonimamo tamim-pomba

03-juin-2024

ofisialy ny Ambasadaoron'i "Chine" miasa eto amintsika, Atoa hajaina Ji PING, afak’omaly sabotsy 01 jona. Anton-diany tamin’izany ny nanolotra fitaovana miompana amin'ny fikirakirana ny haitao ara-kajy mirindra, vata fampangatsiahana, baolina sy sakafo...sns. Nisitraka fitsaboana maimaim-poana avy amin'ireo misionera ara-pahasalamana sinoa koa ireo ankizy am-polony beazina ao an-toerana. Izany no natao dia mba ho fitsinjovana ireo zaza kamboty sy hanamafisana ny fiaraha-miombon'antoka eo amin'ny Zandarmaria Malagasy sy ny Fanjakana Sinoa .Notohizana tamin'ny fitsidihana ireo foto-drafitr'asa misy ao amin'ny Akany ny fotoana ka hita fa miezaka tokoa ny Zandarimaria hanome fanabeazana sy fiahiana mendrika ho an'ireo dimby nilaozan-dray tsy satry. Nanotrona ny fotoana ny Filohan'ny Antenimieran-doholona sy ramatoa vadiny .
Pati
Legende : Nahazo fanampiana tahaka izao ireo zaza kamboty
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap