airtel

Fampianarana

30-mai-2024

AMBOHIDRAPETO ATSIMONDRANO

Hananganana toeram-piofanana lehibe ho an’ny tanora

Sample post image

Ny 70%n’ireo tanora latsaky ny 30 taona eto amintsika dia tsy an’asa avokoa.

30-mai-2024

Voafaoka ao anatin’izany avokoa na ireo nahavita fianarana na tsia, antony manosika ireo kaominina maro samihafa hanao ezaka manokana hanome fiofanana arak’asa avy hatrany ireo tanora ao aminy. Ho an’ny kaominina Ambohidrapeto, Distrikan’Atsimondrano manokana dia mpianatra miisa 150 teo ho eo no navoaka tamim-pomba ofisialy rehefa avy nianatra teny Anglisy sy informatika nandritra ny volana vitsivitsy. Fanilo no anarana nisaloran’izy ireo ka anisan’ny tanjon’ny mpikarakara ny hanampiana ireo tanora ao aminy ho afaka hiditra eo amin’ny sehatry ny asa avy hatrany hialana amin’ny fahantrana. Ho an’ity kaominina iray ity manokana moa dia fantatra fa hisy ny fanamboarana toerana iray lehibe natokana ho an'ny kolontsaina sy ny fiofanana. Tafiditra ao anatin’izany ny efitrano iray hanaovana fampiharana ho an’ireo nianatra ny informatika izay hisy solosaina marobe hapetraka. Hisy ihany koa ny WI-FI ho an'ny rehetra manodidina ny kaominina Ambohidrapeto manomboka amin'ny volana Jona 2024 ho avy io.
Pati
Legende : Ireo andiany indray mihira navoaka ny fiandohan’ny herinandro teo !
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap