airtel

Fampianarana

28-août-2024

ANKATOKY NY FIDIRAN’NY MPIANATRA

Miaka-bidy avokoa ireo kojakoja ilain’ny ankizy

Sample post image

Saika midangana avokoa ny vidin’entana eny an-tsena eny amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao.

28-août-2024

Ankoatra ny fitaovam-pianarana izay efa hiarahan’ny Ray aman-dReny mahalala dia tonga hatrany amin’ny fitafiana sy ny kapa ary ny kiraro mihitsy izany, rehefa mety kojakoja ilain’ny ankizy hiatrehana izay fidiran’ny mpianatra izay. Raha 5.000 Ar ohatra ny ambonin’akanjo anatiny vaovao iray dia lasa 8.000 Ar amin’izao. Tsy taitra mihitsy ireo mpivarotra manombana izany no sady miavom-piteny izay tsy iray na roa akory. Ho an’ny kapa na kiraro indray dia nahitana fiakarany eo amin’ny 20% eo ho eo ny vidiny. Raha fehezina dia tena manararaotra ireo mpivarotra amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao. Eo an-danin’izay anefa dia mihavitsy isan-taona ireo Ray aman-dReny manana fahafahana ny hividy izany. Ny kahie sy ny penina ihany aloha no tena maika fa ny ankoatra izay mbola azo hiafiana ho an’ny ankamaroan’ny zanaka Malagasy. Tafiditra ao anatin’izany ny fitafiana sy ny kapa na kiraro. Toraka izany koa ny kitapo izay ny mbola tamin’ny herin-taona aloha no hampiadiana ho an’ny ankamaroan’ny mpianatra fa rehefa misy fahafahana kely vao soloina.
Pati
Legende : Hatramin’ny fitafiana miaka-bidy avokoa eny an-tsena amin’izao !

 

Dans la même rubrique