airtel

Fampianarana

03-juin-2024

ARIVONIMAMO

Hanomboka anio ny adina ara-panatanjahantena Bakalorea

Sample post image

Manomboka anio alatsinainy 03 jona ary haharitra efatra andro ao amin'ny kianja

03-juin-2024

monisipaly Arivonimamo ny adina ara-panatanjahantena Bakalore ho an'ny distrikan’Arivonimamo. Miisa 2. 974 ireo mpiadina hiatrika izany ka 1. 576 dia vehivavy raha lehilahy kosa ireo 1 .398 ambiny. Tsiahivina moa fa tsy maintsy mitondra ny taratasy fiantsoana miampy ny kara-panondrom-pirenena ny mpiadina efa feno 18 taona no mihoatra rehetra . Karatra maha mpianatra kosa no takiana ho an'ireo tsy manana izany. Ho an'ireo manana olana mahakasika ny taratasy fiantsoana, avy hatrany dia eny amin'ny kianja monisipaly Arivonimamo no fotoana mandritra ny fanadinana na hiantso ny tompon'andraikitra.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap