airtel

Fampianarana

21-août-2023

Fampianarana

Bakalorea Antananarivo Nivaly tao anatin’ny romoromo…

Sample post image

Vita ny takarivan’ny sabotsy teo ny “délibération” na famaritana ny naoty farany ambany ho an’ny fahafahana manafaka ny mpiadina bakalorea tato anatin’ny faritanin’Antananarivo,

21-août-2023

ka tapaka tao anatin’izany fa izay mahazo salan’isa 9,50/20 noho miakatra no afaka. 56,58 % ny taham-pahafahana ho an'ny sokajy ankapobeny, ary 66,91 % kosa ho an'ny sampana teknika, izay manome 57,31% raha hatambatra, izay nisy fiakarany 13% mitaha amin’ny tamin’ny2022 izay 43,73%. Mpiadina 46 338 tamin’ny 80 862 nandray anjara no afaka. Azo lazaina ho nivoaka tao anatin’ny romoromo ihany ny valim-panadinana bakalorea satria nidrikina ireo mpampianatra fa tsy hanao “délibération“ raha tsy mivoaka mazava ny tambin-karama na “vacation”. Ny takarivan’ny sabotsy teo aza dia nisy fampahalalam-baovao nitatitra fa mpampianatra mpitsara fanadinana 7 tamin’ny 3000 ihany no nanao ny “délibération”, rehefa nandeha ny fanerena sy fanambazana. “Azo lazaina fa “sous-forme” ihany fa tsy ara-dalàna, ary tsy mbola nisy fanadinana teto ambonin’ny tany hoe: olona 7 hanao izany”, hoy ireo mpampianatra sasany. Na izany aza, tsy misy ny lalàna mamaritra ny fetr’isa ambany indrindra amin’ny fanapahana ny naoty farany ambany tahaka izao, raha ny fanamarihana. Ny loharanom-baovao azo tamin’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa moa naneho fa tsy mitombina izany io hoe fito io, fa manodidina ny antsasaky ny mpitsara ary nisy ny lisitra naneho izany, saingy tsy nisy antontan’isa mazava. Efa mandeha avy hatrany ny fandoavana ny tambin-karaman’ireo mpitsara fanadinana ho an’ny 2023 na niatrika “deliberation” na tsia. “Ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ar-tsiansa dia mampafantatra fa efa naloa ireo tambim-karama (vacation) Bakalorea taona 2021 (réf. 17/11/2021) sy 2022( 03/05/2023). Mikasika ny taona 2023 dia manamafy hatrany ny Ministera foibe, fa ny fandoavam-bola ny dia aorian’ny fahavitan’ny asa vao afaka manao ny fikarakarana. Marihana etoana fa efa lasa any amin’ny « receveur général d’Antananarivo » izany ny 03 mey 2023. (transfert: 05/001-2023)”, hoy ny Minisitera. Efa tonga teny amin’ny Oniversite izany 2021 sy 2022 fa ny oniversite no tsy nandoa azy, raha raisina amin’io.
SAHIRANA NY MPAMPIANATRA
“Nisy olona tsy nanao “délibération”, vitsy ny nanao, kanefa hita fa milahatra ao rehefa mandray vola. Aza omena tsiny anefa izahay mpampianatra satria sady kely karama no mafy asa…”, hoy ny solontenan ‘ireo mpampianatra. Ny fahavaratra efa mananontanona, ny fiakaran-karama tsy dia hita taratra,… ka aza omena tsiny izy raha tazanareo milahatra ny tambin-karama satria mafy ny nitsara an’io, ary ezahina ny hananany lanja “universel”, hoy ny solontena. Tokony hakana lesona hanatsarana ny ho avy ny romoromo tao anatin’ity bakalorea ity mba tsy ho sorona foana ny zana-bahoaka, ary mila omena ny hasiny ireo mpampianatra. Ny zava-dehibe aloha dia nivaly soa aman-tsara izay hisaorana ny rehetra, ka arahabaina ireo afaka, ary mankahery ireo tsy nahomby!
Toky R
Sary indrana
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap