amin’ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina omaly. Antony ny fahatapahan-jiro efa tao anatin’ny 24 ora izay. Niditra an-tsehatra nandrava ny grevy sy namono afo ny mpitandro ny filaminana izay niditra tany amin’ny Faritry ny Oniversite. Nisy noho izany ny fisamborana, ka mpianatra 8 omaly no voasambotra omaly, ka ny 2 tamin’ireo no voalaza fa mbola tazonina hanaovana fanadihadiana. Ny alakamisy nanomboka tamin’ny 2ora sy sasany tolakandro moa ny jiro tany an-toerana no tapaka. Lasibatra avokoa ny fihariana samihafa, toy ireo mpampiasa vata fampangahatsiahana. Tsy fahatomombanana amin’ny milina lehibe iray, nirehitra ny taribin-jiro ambanin’ny tany, ka nahakasika ny tariby mitondra ny herinaratra, raha ny seraseran’ny Jirama. Tonga tany Toamasina omaly ny Tale Jeneralin’ny Jirama, ka nandritra ny andrana dia nirehitra indray ihany koa ny fitaovana mitondra ny herinaratra tao amin’ny « sous-station » handalovan’ny herinaratra mialohan’ny hitsinjarana azy manerana an’i Toamasina. Efa manao ny ezaka rehetra hamerenana ny herinaratra amin'ny ampahany anio mialoha ny amin'ny 6 Ora hariva, ary.rahampitso kosa no heverina hisitraka izany ireo mpanjifa sasany toy ireo Mpanjifa vaventy, hoy ny Jirama omaly.
NIHETSIKA IHANY KOA I MANINDAY
Nangotraka ihany koa omaly ny grevy tany amin’ny Oniversiten’i Maninday noho ny olana maro samihafa, indrindra ny lafiny vatsim-pianarana. Manenjana mafy izy ireo ka mitaky ny famahana ireo olana samihafa. Ho an’ny vatsim-pianarana, dia takian’ireo mpianatra ny handoavana ny 6 volana ambiny, fa tsy 3 volana araka ny fampanantenana atao azy ireo. Mitaky fametrahana « transformateur », fanendrena filohan’ny oniversite mpiara-mitantana, fanamboarana WC, fametrahana wifi,… Ny teto Antananarivo moa, dia niaraha-naheno sy nahita ny grevy noho ny lafiny fotodrafitrasa tsizarizary sy tsy fisitrahana rano sy angovo, izay zary olana mandavan-taona eny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra.
Toky R