airtel

Fampianarana

04-juil-2024

BEPC Anosibe an’ala

Mpiadina 4 no tratra nanao hosoka

Sample post image

Mpiadina miisa 4 no tratra nanao hosoka tamin’ny taranja Tantara sy Jeografia tao Anosibe

04-juil-2024

an’ala omaly 3 jolay nandritry ny fanadinam-panjakana, BEPC, raha ny fampitam-baovao voaray. Teo amin’ny fisavana fanindroany tao anaty efitrano fanadinana no nahatrarana ireo laza adina efa nisy valiny tamin’ny taratasy tsotra. Voalaza ho nanampy ireto mpianatra ireto tamin’izao hosoka izao ny talena sekoly tsy miankina sy mpianatra any Toamasina. Nametraka fitoriana ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Anosibe an’ala. Ny zandarimariam-pirenena, noho izany, no mandray an-tanana ny raharaha, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Heverina ihany koa etsy ankilan’izay fa ampy ho anatra ho an’ireo mpiadina hafa manerana ny nosy mbola mikasa ny hanao be vinany amin’ity andro farany amin’ny fanadinana BEPC ity izany. Aleo lavitra angamba mamerin-taona rehefa mahatsiaro tena ho ratsy fiomanana nialoha izao fanadinana izao toy izay, sanatrian’izany, ny hosoka natao tao anatin’izao fanadinana izao no hanimba ny hoavin’ny tena manontolo mihitsy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap